Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Zakaria 4:12 - Baiboly Katolika

Mbola niteny fanindroany koa aho, ka nanao taminy hoe: «Inona ireo sampahon’ôliva roa eo amin’ny lantônoara volamena, ikararànam-bolamena, ireo?»

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Ary nanontany Azy fanindroany aho hoe: Inona moa ireo sampahon’oliva roa eo amin’ny fantsona volamena izay mampijononoka volamena avy ao aminy ireo?

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Ary mbola nanontaniako fanindroany izy hoe: –Inona koa ireo sampan’ôliva roa izay mandraraka diloilo volamena ireo amin’ny alalan’ny fantsona volamena anankiroa?

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Ary mbola nanontaniako fanindroany izy hoe: –Inona koa ireo sampan’ôliva roa izay mandraraka diloilo volamena ireo amin’ny alalan’ny fantsona volamena anankiroa?

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary namaly koa aho ka nanao taminy hoe: Inona moa ireo sampahon’oliva roa eo amin’ny fantsona volamena izay mampijononoka ny diloilo volamena avy ao aminy ireo?

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary namaly koa aho ka nanao taminy hoe: Inona moa ireo sampahon'oliva roa eo amin'ny fantsona volamena izay mampijononoka ny diloilo volamena avy ao aminy ireo?

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Ary nanontany Azy fanindroany aho hoe: Inona moa ireo sampahon’oliva roa eo amin’ny fantsona volamena izay mampijononoka volamena avy ao aminy ireo?

Jereo ny toko



Zakaria 4:12
5 Rohy Ifampitohizana  

Tamin’ny taona faharoa nanjakan’i Dariosa mpanjaka, tamin’ny volana fahenina, andro voalohan’ny volana, no nahatongavan’ny tenin’i Iaveh, tamin’ny alalan’i Akjea, mpaminany, tamin’i Zôrôbabela, zanak’i Salatiela, governora tany Jodà, sy tamin’i Jesosy, zanak’i Josedeka, mpisorona lehibe, nanao hoe:


Dia niteny indray aho, ka nanao taminy hoe: «Inona ireto ôliva roa, eo ankavanan’ny fanaovan-jiro sy eo ankaviany?»


Niteny tamiko izy nanao hoe: «Tsy fantatrao va ireo?» Ka hoy ny navaliko azy: «Tsia, tompoko.»


Ary hoy Izy taminy: «Raha ny amin’ny kapoakako, dia hosotroinareo tokoa; fa raha ny amin’ny hipetraka eo ankavanako sy eo ankaviako kosa, dia tsy Ahy ny hanome anareo izany, fa homena izay nanamboaran’ny Raiko azy.»


Izy ireo no fototr’ôliva roa sy fanaovan-jiro roa, izay mitsangana eo anatrehan’ny Tompon’ny tany.