Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Zakaria 4:12 - DIEM PROTESTANTA

12 Ary mbola nanontaniako fanindroany izy hoe: –Inona koa ireo sampan’ôliva roa izay mandraraka diloilo volamena ireo amin’ny alalan’ny fantsona volamena anankiroa?

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

12 Ary nanontany Azy fanindroany aho hoe: Inona moa ireo sampahon’oliva roa eo amin’ny fantsona volamena izay mampijononoka volamena avy ao aminy ireo?

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

12 Ary mbola nanontaniako fanindroany izy hoe: –Inona koa ireo sampan’ôliva roa izay mandraraka diloilo volamena ireo amin’ny alalan’ny fantsona volamena anankiroa?

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

12 Mbola niteny fanindroany koa aho, ka nanao taminy hoe: «Inona ireo sampahon’ôliva roa eo amin’ny lantônoara volamena, ikararànam-bolamena, ireo?»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

12 Ary namaly koa aho ka nanao taminy hoe: Inona moa ireo sampahon’oliva roa eo amin’ny fantsona volamena izay mampijononoka ny diloilo volamena avy ao aminy ireo?

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

12 Ary namaly koa aho ka nanao taminy hoe: Inona moa ireo sampahon'oliva roa eo amin'ny fantsona volamena izay mampijononoka ny diloilo volamena avy ao aminy ireo?

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

12 Ary nanontany Azy fanindroany aho hoe: Inona moa ireo sampahon’oliva roa eo amin’ny fantsona volamena izay mampijononoka volamena avy ao aminy ireo?

Jereo ny toko dika mitovy




Zakaria 4:12
5 Rohy Ifampitohizana  

Tamin’ny taona faharoa nanjakan’i Dariôsa, fony andro voalohan’ny volana fahenina, dia nisy tenin’ny TOMPO tamin’ny alalan’i Hagay mpaminany. Hafatra ho an’ny governoran’i Joda, dia i Zerobabela zanakalahin’i Sealtiela, sy ho an’i Josoa mpisorombe zanakalahin’i Jôtsadaky izany ka nanao hoe:


Dia nanontaniako indray izy hoe: –Inona moa ireo hazo ôliva roa eo an-kavanana sy eo an-kavian’ny fitoeran-jiro ireo?


Ka hoy izy tamiko: –Tsy fantatrao koa va ny dikan’ireo? Fa novaliako hoe: –Tsia, Tompoko.


Ary hoy i Jesoa tamin’izy roa lahy: –Ny fijaliana hiaretako, dia hiaretanareo tokoa; fa izany hoe hipetraka eo ankavanako sy eo ankaviako izany kosa dia tsy miankina amiko, fa ho an’izay nanomanan’ny Raiko azy!


Ireo vavolombelona roa ireo no fototr’ôliva anankiroa sy fitoeranjiro anankiroa, izay mijoro eo anatrehan’ilay Tompon’ny tany.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra