Nandry feizay i Jodà sy i Israely tamin’ny andro rehetra niainan’i Salômôna. Samy teo ambanin’ny voalobony sy ny aviaviny avy, hatrany Dàna ka hatrany Bersabea.
Zakaria 3:10 - Baiboly Katolika Amin’izany andro izany, - teny marin’i Iavehn’ny tafika, - samy hifanasa avy ianareo, eo ambanin’ny voaloboka sy eo ambanin’ny aviavy. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Amin’izany andro izany, hoy Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, dia samy hiantso ny namanareo avy ho eo ambanin’ny voaloboka sy ho eo ambanin’ny aviavy ianareo. DIEM PROTESTANTA Amin’izany andro izany ianareo dia samy ho finaritra hifanasa ho eo ambany voaloboka aman’aviavinareo, hoy ny teny hentitra avy amiko TOMPOn’izao rehetra izao.» Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Amin’izany andro izany ianareo dia samy ho finaritra hifanasa ho eo ambany voaloboka aman’aviavinareo, hoy ny teny hentitra avy amiko TOMPOn’izao rehetra izao.» Baiboly Protestanta Malagasy Amin’izany andro izany, hoy Jehovah, Tompon’ny maro, dia samy hiantso ny namanareo avy ho eo ambanin’ny voaloboka sy ho eo ambanin’ny aviavy hianareo. Malagasy Bible Amin'izany andro izany, hoy Jehovah, Tompon'ny maro, dia samy hiantso ny namanareo avy ho eo ambanin'ny voaloboka sy ho eo ambanin'ny aviavy ianareo. La Bible en Malgache Amin’izany andro izany, hoy Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, dia samy hiantso ny namanareo avy ho eo ambanin’ny voaloboka sy ho eo ambanin’ny aviavy ianareo. |
Nandry feizay i Jodà sy i Israely tamin’ny andro rehetra niainan’i Salômôna. Samy teo ambanin’ny voalobony sy ny aviaviny avy, hatrany Dàna ka hatrany Bersabea.
Ny vahoakako honina eo amin’ny toeram-piadanana, eo amin’ny trano fonenana mahatoky, eo amin’ny trano fipetrahana mandry feizay.
Aza mihaino an’i Ezekiasa ianareo fa izao no tenin’ny mpanjakan’i Asiria: Manaova fanekem-pivavahana amiko, ary maneke ahy ianareo, dia samy hihinana ny voaloboka aman’aviaviny, sy hisotro ny rano eo amin’ny dobo famorian-dranony avy ianareo;
Fa izao no lazain’i Iavehn’ny tafika, Andriamanitr’i Israely: Mbola hividy trano sy saha ary tanimboaloboka amin’ity tany ity ny olona.»
Amin’izany andro izany - teny marin’i Iaveh, - ianao hiantso Ahy hoe: Vadiko: fa tsy hiantso Ahy intsony hoe: Baala-ko.
Samy hipetraka eny ambany voalobony avy izy; sy eny ambanin’ny aviaviny; tsy hisy olona hanelingelina azy akory; fa ny vavan’i Iavehn’ny tafika no efa niteny.
Avia, ry Siôna, vonjeo ny tenanao, ianao izay monina ao amin’ny zanaka vavin’i Babilôna!