Ka hoy izy ireo: «Lehilahy voloina izay izy, ary nisy fehin-kibo hoditra tamin’ny valahany.» Dia hoy i Okoziasa: «I Elia Tesbita izay.»
Zakaria 13:4 - Baiboly Katolika Ary hisy zavatra toy izao amin’izany andro izany: Ny mpaminany samy ho menatra ny fahitany avy raha maminany izy; ary tsy hitafy ny kapaoty volom-biby intsony, mba handaingany. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Amin’izany andro izany ny mpaminany dia samy hahazo henatra noho ny fahitany avy, raha maminany; ary tsy hisalotra akanjo volom-biby hamitahana intsony izy DIEM PROTESTANTA Amin’izany andro izany, ny mpaminany ho menatra ny haminany sy hilaza ny fahitany, ka tsy ho sahy hamita-bahoaka intsony amin’ny fitafiana akanjo volom-biby, Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Amin’izany andro izany, ny mpaminany ho menatra ny haminany sy hilaza ny fahitany, ka tsy ho sahy hamita-bahoaka intsony amin’ny fitafiana akanjo volom-biby, Baiboly Protestanta Malagasy Ary amin’izany andro izany ny mpaminany dia samy hahazo henatra noho ny fahitany avy, raha maminany; ary tsy hikapôty volom-biby hamitahana izy, Malagasy Bible Ary amin'izany andro izany ny mpaminany dia samy hahazo henatra noho ny fahitany avy, raha maminany; ary tsy hikapôty volom-biby hamitahana izy, La Bible en Malgache Amin’izany andro izany ny mpaminany dia samy hahazo henatra noho ny fahitany avy, raha maminany; ary tsy hisalotra akanjo volom-biby hamitahana intsony izy |
Ka hoy izy ireo: «Lehilahy voloina izay izy, ary nisy fehin-kibo hoditra tamin’ny valahany.» Dia hoy i Okoziasa: «I Elia Tesbita izay.»
tamin’izany andro izany niteny i Iaveh tamin’ny alalan’i Izaia, zanak’i Amôsa nanao hoe: «Mandehana, borahy ny lasàka manarona ny valahanao, ary esory ny kapa hiala amin’ny tongotrao.» Dia nataony izany, ka nandeha tsy nitafy sy tsy nikiraro izy.
Toy ny fangaihain’ny mpangalatra azo an-tanana no fangaihain’ny taranak’i Israely, dia izy ireo, ny mpanjakany, ny lehibeny, ny mpisorony ama-mpaminaniny,
Homenàriny izy, fa nanao fahavetavetana; nefa tsy mba mahalala menatra intsony izy, ary tsy mba valahara! Koa dia hiara-davo amin’izay lavo izy ireo; ary hiteraka amin’ny andro hamangiako azy izy, hoy i Iaveh.
Ny hendry dia efa mahazo henatra, miraviravy tanana, ary voasambotra; indro fa nanary ny tenin’i Iaveh izy ireo! Ka inona intsony no ho fahendreny eo...?
Akanjo volon-drameva no fitafian’io Joany io, fehikibo hoditra no nanaovany, ary valala sy tantely remby no hanina fihinany.
Volon-drameva no nitafian’i Joany, fehikibo hoditra no nanaovany, ary valala sy tantely remby no fihinany; ary izao no notorìny:
notoraham-bato izy, notsofaina, nalaim-panahy, novonoina tamin’ny sabatra, nirenireny nitady hoditr’ondry sy hoditr’osy, tsy nanana na inona na inona, nenjehina, nampahorîna,
Ary ny Vavolombeloko roa, dia homeko hery haminany enimpolo amby roan-jato sy arivo andro; akanjo malailay no hiakanjoany.