Fa ianareo kosa izay mitsangana hamely ahy, ka ny fahafaham-baraka no atombokareo ahy, handresena ahy,
Zakaria 12:7 - Baiboly Katolika Ny lain’i Jodà aloha no hovonjen’i Iaveh, mba tsy hisandratra ambonin’i Jodà, ny reharehan’ny taranak’i Davida, sy ny reharehan’ny mponina ao Jerosalema. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary hovonjen’NY TOMPO aloha ny tranolain’i Joda, mba tsy hisandratra ambonin’i Joda intsony ny voninahitry ny taranak’i Davida sy ny voninahitry ny mponina any Jerosalema. DIEM PROTESTANTA Hovonjen’ny Tompo aloha ny fianakaviamben’i Joda, mba tsy hihevi-tena ho ambonin’ny olona sisa eran’i Joda ny taranak’i Davida sy ny mponin’i Jerosalema. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Hovonjen’ny Tompo aloha ny fianakaviamben’i Joda, mba tsy hihevi-tena ho ambonin’ny olona sisa eran’i Joda ny taranak’i Davida sy ny mponin’i Jerosalema. Baiboly Protestanta Malagasy Ary hovonjen’i Jehovah aloha ny lain’ny Joda, mba tsy hisandratra ambonin’ny Joda intsony ny voninahitry ny taranak’i Davida sy ny voninahitry ny mponina any Jerosalema. Malagasy Bible Ary hovonjen'i Jehovah aloha ny lain'ny Joda, mba tsy hisandratra ambonin'ny Joda intsony ny voninahitry ny taranak'i Davida sy ny voninahitry ny mponina any Jerosalema. La Bible en Malgache Ary hovonjen’NY TOMPO aloha ny tranolain’i Joda, mba tsy hisandratra ambonin’i Joda intsony ny voninahitry ny taranak’i Davida sy ny voninahitry ny mponina any Jerosalema. |
Fa ianareo kosa izay mitsangana hamely ahy, ka ny fahafaham-baraka no atombokareo ahy, handresena ahy,
Aoka hiara-menatra sy hangaihay avokoa izay mifaly noho ny loza manjò ahy. Aoka ho safo-kenatra sy afa-baraka, izay mitsangan-kamely ahy!
I Iavehn’ny tafika no nandidy izany mba hanamatroka ny voninahitr’izay rehetra mamirapiratra, mba hanetry ny olo-malaza rehetra amin’ny tany.
Izao no lazain’i Iaveh: Indro hatsangako indray ny lain’i Jakôba, ary hamindrako fo ny fonenany; ny tanàna haorina indray eo amin’ny havoany; ary ny lapany hatsangana indray eo amin’ny fitoerany.
Amin’izany andro izany ny tranobongon’i Davida efa nianjera, hatsangako indray, ny banga hotampenako, ny rava hamboariko; ka haoriko indray ho tahaka ny tamin’ny andro taloha;
Dia voatapaka tamin’izay andro izay io ka dia fantatr’ireo ondry mahantra indrindra, izay nanao ahy ho zavatra, fa izany no tenin’i Iaveh.
Dia namaly niteny ilay Anjely ka nanao tamiko hoe: «Izao no tenin’i Iaveh tamin’i Zôrôbabela, izany hoe: Tsy amin-tafika na amin-kery, fa amin’ny Fanahiko, hoy i Iavehn’ny tafika.
Tamin’izay nientan-kafaliana tamin’ny Fanahy Masina Izy ka nanao hoe: «Misaotra anao Aho, ry Raiko, Tompon’ny lanitra sy ny tany, noho Ianao nanafina izany tamin’ny mahay sy ny hendry, fa nanambara azy tamin’ny zaza madinika kosa. Eny, Raiko, fa izany no sitraponao.
Koa aiza àry no hireharehana? Efa nofoanana izany; fa tamin’ny lalàna inona? Tamin’ny lalàn’ny asa va? Tsia, fa tamin’ny lalàn’ny finoana;
Henoy ange, ry havako malala: Moa tsy ny mahantra eo imason’izao tontolo izao va no nofidin’Andriamanitra ho mpanan-karena amin’ny finoana, sy ho mpandova ny fanjakana nampanantenainy an’izay tia Azy?
Lehibe toy izany koa anefa ny fahasoavana omeny, araka ny lazain’ny Soratra Masina hoe: Manohitra ny mpiavonavona Andriamanitra, fa manome fahasoavana ny manetry tena.