Ary Andriamanitra nahatsiaro an’i Nôe sy ny biby ary ny biby fiompy rehetra izay niaraka taminy tao an-tsambo fiara; ary Andriamanitra nandefa rivotra tamin’ny tany ary nihena ny rano;
Zakaria 10:11 - Baiboly Katolika Hamaky ny ranomasina, ranomasim-pahoriana izy; sy hikapoka ny onjan-dranomasina ao amin’ny rano, dia ho tonga maina avokoa ny halalinan’ny ony. Haetry ny avonavon’i Asiria, ary halàna ny tehim-panjakan’i Ejipta. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Dia hamakivaky ny ranomasim-pahoriana izy; hamely ny onjan-dranomasina NY TOMPO. Ho ritra ny rano lalin’i Neily rehetra; haetry ny avonavon’i Asiria ary hesorina ny tehina fanapahan’i Ejipta. DIEM PROTESTANTA Hamakivaky ny ranomasim-pahoriana izy; Izaho Tompo kosa hively ny onjan-dranomasina sy hahatankina tanteraka ny onin’ny Neily. Dia haetry ny avonavon’i Asiria, ary ho very fahefana i Ejipta. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Hamakivaky ny ranomasim-pahoriana izy; Izaho Tompo kosa hively ny onjan-dranomasina sy hahatankina tanteraka ny onin’ny Neily. Dia haetry ny avonavon’i Asiria, ary ho very fahefana i Ejipta. Baiboly Protestanta Malagasy Dia hamaky ny ranomasim-pahoriana izy Ka hamely ny onjan-dranomasina, Ho ritra ny rano lalin’i Neily rehetra, Haetry ny avonavon’i Asyria, Ary hiala ny tehina fanapahan’i Egypta. Malagasy Bible Dia hamaky ny ranomasim-pahoriana izy ka hamely ny onjan-dranomasina, Ho ritra ny rano lalin'i Neily rehetra, Haetry ny avonavon'i Asyria, Ary hiala ny tehina fanapahan'i Egypta. La Bible en Malgache Dia hamakivaky ny ranomasim-pahoriana izy; hamely ny onjan-dranomasina NY TOMPO. Ho ritra ny rano lalin’i Neily rehetra; haetry ny avonavon’i Asiria ary hesorina ny tehina fanapahan’i Ejipta. |
Ary Andriamanitra nahatsiaro an’i Nôe sy ny biby ary ny biby fiompy rehetra izay niaraka taminy tao an-tsambo fiara; ary Andriamanitra nandefa rivotra tamin’ny tany ary nihena ny rano;
Noraisiny ny kapaotin’i Elia izay nitambotsotra niala taminy, nikapohany ny rano, ka hoy izy: «Aiza i Iaveh Andriamanitr’i Elia? Aiza Izy?» Ary nony nokapohiny ny rano, dia nisaraka roa ho eo an-daniny avy, ka nita i Elisea.
Dia nalain’i Elia ny kapaotiny; nahorony nikapohany ny rano, izay nisaraka roa teo an-daniny avy, ary izy roa lahy nita tamin’ny tany maina.
Tamin-kafaliana no nanaovan’izy ireo ny fetin’ny Azima mandritra ny hafitoana; fa nampifalin’i Iaveh izy, tamin’ny nitarihany ny fon’ny mpanjakan’i Asiria hanampy azy ireo sy hanohana ny tanany amin’ny asa momba ny tranon’Andriamanitra, dia ny Andriamanitr’i Israely.
Maninona ity ianao no mandositra, ry ranomasina? ary ity ianao no mianòtra miverina, ry Jordany?
Hanorotoro an’i Asora amin’ny taniko aho, ary hanosihosy azy eo an-tendrombohitro. Dia hoesorina amin’izy ireo ny jiogany, ary halana eo an-tsorok’izy ireo ny entany.
Amin’izany andro izany i Ejipta, hanahaka ny vehivavy; ho toran-kovitra sy ho raiki-tahotra, mahita an’i Iavehn’ny tafika manainga tanana, izay aingainy hamelezana azy.
Raha mita rano ianao, dia homba anao Aho; raha mamaky ny ony ianao, tsy hanafotra anao izy; raha mandeha eo afovoan’ny afo ianao, tsy ho may; ary ny lelafo tsy handoro anao.
Tsy Ianao va no nahamaina ny ranomasina, dia ny rano tao amin’ny hantsam-be. Ka nanao ny fanambanin’ny ranomasina ho lalana nalehan’ny navotana?
Mifohaza, mifohaza ianao, mitafia hery, ry zandrin’i Iaveh! Mifohaza toy ny tamin’ny andro taloha, tahaka ny tamin’ny taona fahiny. Tsy Ianao va no nitetika an-dRahaba ho potipotika, sy nitomboka ilay dragona ho gorobaka?
Izao no lazain’ny Tompo Iaveh: Hofoanako ny sampim-betaveta, holevoniko ny andriamanitra tsy izy ao Nôfa, tsy hisy mpanapaka intsony, avy amin’ny tany Ejipta, ary hanidinako tahotra ny tany Ejipta.
Haninji-tanana hamely ny Avaratra koa izy, handringana an’i Asora, ary hahalao an’i Niniva, ka hahatonga azy ho karankaina toy ny efitra.
Nandraraka ny tao anaty kapoakany tamin’i Eofrata, ony lehibe koa, ny Anjely fahenina, dia naharitra ny ranony, mba hisy lalan-kalehan’ny mpanjaka avy any atsinanana.