Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




Apokalipsy 16:12 - Baiboly Katolika

12 Nandraraka ny tao anaty kapoakany tamin’i Eofrata, ony lehibe koa, ny Anjely fahenina, dia naharitra ny ranony, mba hisy lalan-kalehan’ny mpanjaka avy any atsinanana.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

12 Ary ny fahenina dia nampidina ny tao an-doviany tao amin’i Eofrata, ony lehibe. Dia ritra ny ranony, mba hanamboarana ny lalan’ireny mpanjaka avy any amin’ny fiposahan’ny masoandro ireny.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

12 Dia nandraraka ny tao an-doviany tamin’i Eofrata, ony lehibe, ny anjely fahenina; ka ritra ny ranony, hanomanan-dalana ho an’ny mpanjaka avy any atsinanana.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

12 Dia nandraraka ny tao an-doviany tamin’i Eofrata, ony lehibe, ny anjely fahenina; ka ritra ny ranony, hanomanan-dalana ho an’ny mpanjaka avy any atsinanana.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

12 Ary ny fahenina nampidina ny tao an-doviany tamin’i Eofrata, ony lehibe; dia ritra ny ranony hanamboarana ny làlan’ireny mpanjaka avy any amin’ny fiposahan’ny masoandro.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

12 Ary ny fahenina nampidina ny tao an-doviany tamin'i Eofrata, ony lehibe; dia ritra ny ranony hanamboarana ny lalan'ireny mpanjaka avy any amin'ny fiposahan'ny masoandro.

Jereo ny toko dika mitovy




Apokalipsy 16:12
15 Rohy Ifampitohizana  

I Iaveh hanao anatema ny sakeli-dranomasin’i Ejipta, sy hanainga ny tanany hamely ny Ony amin’ny herin’ny rivony, dia hikapoka azy sy hampisaraka azy hisampana fito, ka hataony azo aleha tsy ialàn-kapa eo.


«Nampitranga azy avy any avaratra Aho, ka tonga izy, avy any atsinanana izy miantso ny Anarako; hoseny hoatra ny fanosy fotaka, ny mpanapaka; sy tahaka ny fanosin’ny mpanao vilany ny tanimanga.»


Hofoanako ny tendrombohitra aman-kavoana; hataoko maina avokoa izay maitso eo aminy; hampanjariako nosy ny ony, ary homainiko ny farihy.


Izaho no milaza amin’ny hantsana hoe: «Tankìna! Hataoko ritra ny oninao.»


izay miantso ilay voromahery avy any Atsinanana, dia ilay lehilahy araka ny hevitro avy any an-tany lavitra. Efa niteny Aho, ka hanatanteraka! Efa nikasa Aho, ka hanefa izany!


noho izany, indro hampiakarin’ny Tompo hanafika azy ireo, ny ranon’ny ony, sady mahery no lalina, dia ny mpanjakan’i Asiria mbamin’ny heriny rehetra; ny masondranony rehetra hosaforany, ary ny morony rehetra hihoarany;


Koa izao no lazain’i Iaveh: Indro fa izaho mandray ny adinao, hiandraikitra azy, ary manatanteraka ny valim-bonoana ho anao: Ka horitiko ny ranomasiny, hataoko tankina ny loharanony.


Lasa ny loza faharoa; indro hisosoka faingana ny loza fahatelo.


Izao koa, hoy izy tamiko: Ny rano efa hitanao nipetrahan-dRavehivavy janga, dia olona amam-bahoaka sy firenena aman-tsamihafa fiteny maro.


Dia nahita Anjely iray hafa koa aho, niakatra avy amin’ny fiposahan’ny masoandro, nitana ny fitombok’Andriamanitra velona, ary niantso mafy an’ireo Anjely efatra nasaina nanimba ny tany aman-dranomasina,


nilaza tamin’ny Anjely fahenina nitana ny trômpetra hoe: «Vahao ny Anjely efatra mifatotra any Eofrata ony lehibe.»


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra