Ny vitsy indrindra ho tonga arivo; ary ny kely indrindra ho firenena mahery. Izaho Iaveh no hanafaingana izany samy amin’ny fotoany avy.
Zakaria 10:10 - Baiboly Katolika Hampodiko avy any amin’ny tany Ejipta izy ireo, sy hangoniko avy any Asiria, dia hoentiko ho ao amin’ny tany Galaada sy Libàna ka tsy ho omby azy ny tany. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Dia hampody azy avy any amin’ny tany Ejipta Aho sy hanangona azy avy any Asiria; ary any amin’ny tany Gileada sy Libanona no hampidirako azy ka tsy ho omby azy izany. DIEM PROTESTANTA Hampodiko avy any Ejipta izy ary hangoniko avy any Asiria, ka hoentiko any Gilehada sy any Libano; saingy na dia ireo toerana ireo aza dia mbola tsy ho omby azy ihany. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Hampodiko avy any Ejipta izy ary hangoniko avy any Asiria, ka hoentiko any Gilehada sy any Libano; saingy na dia ireo toerana ireo aza dia mbola tsy ho omby azy ihany. Baiboly Protestanta Malagasy Dia hampody azy avy any amin’ny tany Egypta Aho Sy hanangona azy avy any Asyria; Ary ho any amin’ny tany Gileada sy Libanona no hitondrako azy, Ka tsy ho omby azy izany. Malagasy Bible Dia hampody azy avy any amin'ny tany Egypta Aho sy hanangona azy avy any Asyria; Ary ho any amin'ny tany- Gileada sy Libanona no hitondrako azy, Ka tsy ho omby azy izany La Bible en Malgache Dia hampody azy avy any amin’ny tany Ejipta Aho sy hanangona azy avy any Asiria; ary any amin’ny tany Gileada sy Libanona no hampidirako azy ka tsy ho omby azy izany. |
Ny vitsy indrindra ho tonga arivo; ary ny kely indrindra ho firenena mahery. Izaho Iaveh no hanafaingana izany samy amin’ny fotoany avy.
Satria izao no lazain’i Iaveh, ny amin’ny taranaky ny mpanjakan’i Jodà: «Tahaka an’i Galaada ianao amiko, tahaka ny tampon’i Libàna, nefa indro hampanjariko efitra, tanàna tsy honenana, ianao.
Dia hampodiko ho any amin’ny fonenany indray i Israely ka hiraotra eny Karmela sy eny Basàna izy; ary eny an-tendrombohitr’i Efraima sy i Galaada, izy no handeha hivoky.
Hanaraka an’i Iaveh izy ireo; hierona toy ny liona Izy, ka rehefa mierona Izy dia hidodododo avy any Andrefana amin-kovitra ireo zanany.
Hidodododo avy any Ejipta izy ireo, mangovitra toy ny voronkely ary avy any amin’ny tany Asora toy ny domohina; ka hamponeniko ao an-tranony, - teny marin’i Iaveh. -
Ireo lasan-ko babo tamin’ny tafiky ny zanak’i Israely hahalasa ny tanin’ny Kananeanina, hatrany Sareptà. Ary ireo lasan-ko babo tamin’i Jerosalema izay any Sefarada hanana ny tanàna any amin’i Negeba.
Andraso amin’ny tehinao ny vahoakanao dia ny ondry lovanao, izay monina mitokana any an’ala, eo afovoan’i Karmela; aoka hiraoka any Basàna sy any Galaada izy, toy ny tamin’ny andro taloha.
Izao no lazain’i Iavehn’ny tafika: «Indro Aho hanafaka ny vahoakako avy any amin’ny tany atsinanana sy ny tany andrefana;
hoentiko mody izy honina ao afovoan’i Jerosalema, ka izy ho vahoakako ary Izaho ho Andriamaniny, amin’ny rariny sy ny hitsiny.»