Nisy Anjelin’Andriamanitra nilaza tamiko, tamin’ny nofy hoe: ‹Ry Jakôba!› Ka novaliako hoe: ‹Inty aho.› Dia hoy izy:
Zakaria 1:9 - Baiboly Katolika Ka hoy aho: Inona ireo, tompoko? Dia hoy ilay Anjely niresaka tamiko: Hasehoko anao ny amin’ireo. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Dia hoy aho: Tompoko ô, midika inona moa ireo? Ary ilay anjely niresaka tamiko dia niteny tamiko hoe: Izaho haneho anao ny amin’ireo. DIEM PROTESTANTA Dia nanontaniako izy hoe: «Tompoko, inona moa no dikan’ireo soavaly ireo?» Dia hoy ny navalin’ilay anjely niresaka tamiko: «Hohazavaiko anao ny amin’ireo.» Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Dia nanontaniako izy hoe: «Tompoko, inona moa no dikan’ireo soavaly ireo?» Dia hoy ny navalin’ilay anjely niresaka tamiko: «Hohazavaiko anao ny amin’ireo.» Baiboly Protestanta Malagasy Dia hoy izaho: Tompoko ô, inona moa ireo? Ary ilay anjely niresaka tamiko dia nanao tamiko hoe: Izaho haneho anao ny amin’ireo. Malagasy Bible Dia hoy izaho: Tompoko ô, inona moa ireo? Ary ilay anjely niresaka tamiko dia nanao tamiko hoe: Izaho haneho anao ny amin'ireo. La Bible en Malgache Dia hoy aho: Tompoko ô, midika inona moa ireo? Ary ilay anjely niresaka tamiko dia niteny tamiko hoe: Izaho haneho anao ny amin’ireo. |
Nisy Anjelin’Andriamanitra nilaza tamiko, tamin’ny nofy hoe: ‹Ry Jakôba!› Ka novaliako hoe: ‹Inty aho.› Dia hoy izy:
Dia niteny indray aho, ka nanao taminy hoe: «Inona ireto ôliva roa, eo ankavanan’ny fanaovan-jiro sy eo ankaviany?»
Niseho indray ilay Anjely niresaka tamiko, ary nanao tamiko hoe: «Atopazo ny masonao, ka jereo io miseho io.» Dia hoy aho: «Inona io?»