Dia noravany ny lalako; ny handringana ahy no imasoany, izy ireo izay tsy ho nanana olo-mamonjy.
Zakaria 1:15 - Baiboly Katolika Ary mbola azon’ny fahasaro-piaro mafy Aho hamely ny firenena izay milomano amin’ny harem-be. Satria Izaho moa, efa tezitra kely sahady, izy kosa niasa nankamin’ny fandravana ihany. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary tezitra indrindra Aho amin’ireo firenena miadana; satria Izaho dia tezitra kely ihany, fa ireo kosa dia nampitombo ny fahoriana. DIEM PROTESTANTA kanefa kosa mirehi-pahatezerana mafy amin’ireo firenen-kafa matoky tena loatra; satria fony Aho mbola tezitra kely tamin’i Israely, no nampitombo fahoriana azy kosa ireo. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara kanefa kosa mirehi-pahatezerana mafy amin’ireo firenen-kafa matoky tena loatra; satria fony Aho mbola tezitra kely tamin’i Israely, no nampitombo fahoriana azy kosa ireo. Baiboly Protestanta Malagasy Ary tezitra indrindra Aho amin’ireo firenena miadana; satria Izaho dia tezitra kely ihany, fa ireo kosa dia nampitombo ny fahoriana. Malagasy Bible Ary tezitra indrindra Aho amin'ireo firenena miadana; satria Izaho dia tezitra kely ihany, fa ireo kosa dia nampitombo ny fahoriana. La Bible en Malgache Ary tezitra indrindra Aho amin’ireo firenena miadana; satria Izaho dia tezitra kely ihany, fa ireo kosa dia nampitombo ny fahoriana. |
Dia noravany ny lalako; ny handringana ahy no imasoany, izy ireo izay tsy ho nanana olo-mamonjy.
Efa nanototra ny fanahinay izaitsizy, ny famingavingan’ny mpirehareha, ny fanevatevan’ny mpiavonavona.
Tsarovy, ry Iaveh, ireo taranak’i Edôma, fony tamin’ny andron’i Jerosalema, dia hoy ireny: «Ravao! ravao! izy, hatramin’ny fotony!»
Tamin’ny firehetan’ny hatezerako no nanafenako vetivety ny Tavako taminao, fa amim-pitiavana mandrakizay kosa no angorahako anao, hoy i Iaveh Mpanavotra anao.
Koa izay rehetra mandany anao, holanina; izay rehetra mampahory anao, ho lasan-ko babo; izay mamabo anao, hobaboina; ary izay rehetra mandroba anao, hatolotro horobaina.
Izao no lazain’i Iavehn’ny tafika: ampahorîna ny zanak’i Israely mbamin’ny zanak’i Jodà miaraka aminy koa; mitana azy avokoa izay nitondra azy ho babo, fa tsy mety mandefa azy.
Nefa hafotitro amin’i Babilôna mbamin’ny mponina rehetra any Kaldea ny ratsy rehetra nataony tao Siôna teo imasonareo, - teny marin’i Iaveh. -
Ry zanak’olona, noho ny nitenenan’i Tira momba an’i Jerosalema nataony hoe: «Hia! Hia! vaky ilay vavahadin’ny firenena! atỳ amiko indray no todihin’ny olona; ka izaho ho feno; izy kosa efa zary efitra!»
Mila loza ireo mandry feizay ao Siôna, sy mitoetra matoky ao an-tendrombohitr’i Samaria; dia ireo malaza indrindra amin’ilay firenena, lohan’ny firenena, ireo izay hatonin’ny taranak’i Israely!
Ka dia namaly ireo tamin’ny Anjelin’i Iaveh, izay teo amin’ny mirta ka nanao hoe: Efa nitety ny tany izahay, ka miadana sy mandry feizay avokoa ny tany.
Izao no fery hamelezan’i Iaveh ny firenena niady tamin’i Jerosalema: ny nofony hataony hihalò am-pitsanganana; ny masony hihalò ao anaty taola-masony; ary ny lelany hihalò ao am-bavany.
Ary niantso ahy izy, ka nanao tamiko hoe: «Jereo, fa ireo nivoaka ho amin’ny tany avaratra, dia nampionona ny fanahiko tamin’ny tany avaratra.»