Tôbita 4:19 - Baiboly Katolika Milà hevitra mandrakariva amin’ny olon-kendry. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ankalazao ny Tompo Andriamanitrao amin’ny fotoan-drehetra, ary angataho Izy hitarika anao amin’ny lala-mahitsy ary hampahomby izay rehetra karakarainao sy kendrenao; tsy misy manko firenena manana ny fahatakaran-kevitra fa ny Tompo ihany no manome ny zava-tsoa rehetra; sady izay tiany haetry, dia aetriny hatrany amin’ny fonenan’ny maty. «Koa tadidio, anaka, ireo hafatrafatra ireo, ary aoka tsy ho voakosoka na oviana oviana ao am-ponao! |