Tôbita 4:12 - Baiboly Katolika Ho zary toky lehibe eo anatrehan’Andriamanitra ambony indrindra ny fiantrana, ho an’izay rehetra nanao azy. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara «Anaka, aoka ianao hifady ny fanambadiana tsy araka ny lalànan’Andriamanitra; ka voalohany indrindra, vehivavy mpiray firenena aminao no aoka halainao ho vady! Aza manambady vehivavy vahiny izay tsy anisan’ny fokon-drainao, satria taranaky ny mpaminany isika. Tsarovy, anaka, ireo razambentsika hatramin’ny fahagola, dia ry i Nôà sy i Abrahama ary i Itsehàka sy i Jakôba; tsarovy fa vehivavy mpiray firazanana aminy no nalain’izy rehetra ho vady. Izany no nitsofan’Andriamanitra rano azy hanan-janaka; ary ny taranany no hahazo ny tany nampanantenaina. |