Fitsapana navelan’Andriamanitra hihatra aminy izany, mba hatao fakan-tahaky ny taranaka any aoriana ny faharetany, toy ny an’i Jôba lehilahy masina.
Natolony tamin’ireo mpampiasa azy ny zava-bitany; ireto kosa nanome karama azy. Tamin’ny volana Distra, andro fahafito, dia nahavita asa anankiray i Hanà ka natolony tamin’ny mpampiasa. Dia nomeny karama feno izy, ary nomeny koa zanak’osy hatao sakafo.