Tôbita 2:10 - Baiboly Katolika Indray andro, nony tonga tao amin’ny tranony izy, ilay sasatra loatra avy nandevina ny maty iny, dia niretaka teo am-body rindrina; ka nosintonin-tory. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Tsy fantatro kosa fa nisy sidintsidina nanao akany tao amin’ny tamboho, teo amboniko. Koa tain-tsidintsidina mbola mafana no nilatsaka tamin’ny masoko roa ary nampisy pentina fotsy teo. Nankany amin’ny dokotera aho mba hotsaboiny; saingy arakaraky ny nampiasana menaka fanosotra tamiko no vao mainka nohajambain’ireo pentina fotsy ireo ny masoko, ary dia niafara ho jamba tanteraka. Tsy afa-nahita mihitsy ny masoko nandritra ny efatra taona. Onena ahy ireo havako rehetra. Nandritra ny roa taona i Ahikara dia niahy ny zavatra nilaiko, alohan’ny handehanany ho any Elimaîda. |