Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Rota 3:3 - Baiboly Katolika

Koa mandroa ianao, mihosora diloilo, miakanjoa, ary midìna eny am-pamoloana. Aza atao hitany anefa ianao, raha tsy efa tapi-nihinana sy nisotro izy.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Koa mandroa sy mihosora diloilo ary miakanjoa, dia midìna any am-pamoloana. Nefa aza atao fantatr’i Ralehilahy akory ianao raha tsy efa avy nihinana sy nisotro izy.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Koa mandroa ianao, mihosora zava-manitra, dia anaovy ny akanjonao tsara indrindra; avy eo dia midina any am-pamoloana, kanefa aza atao fantatr’i Bôhaza akory izany raha tsy efa avy nihinana sy nisotro izy.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Koa mandroa ianao, mihosora zava-manitra, dia anaovy ny akanjonao tsara indrindra; avy eo dia midina any am-pamoloana, kanefa aza atao fantatr’i Bôhaza akory izany raha tsy efa avy nihinana sy nisotro izy.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Koa mandroa sy mihosora diloilo ary miakanjoa, dia midìna any am-pamoloana; nefa aza atao fanta-dralehilahy akory hianao, raha tsy efa avy nihinana sy nisotro izy.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Koa mandroa sy mihosora diloilo ary miakanjoa, dia midìna any am-pamoloana; nefa aza atao fanta-dralehilahy akory ianao, raha tsy efa avy nihinana sy nisotro izy.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Koa mandroa sy mihosora diloilo ary miakanjoa, dia midìna any am-pamoloana. Nefa aza atao fantatr’i Ralehilahy akory ianao raha tsy efa avy nihinana sy nisotro izy.

Jereo ny toko



Rota 3:3
10 Rohy Ifampitohizana  

Dia niarina tamin’ny tany i Davida ka nandro, nihosotra diloilo sy nanova fitafiana, dia nankao an-tranon’i Iaveh izy ary niankohoka. Nony nody tao an-tranony izy nangataka horosoana sakafo dia nihinana.


Dia naniraka ho any Tekoa hitady vehivavy fetsy anankiray i Jôaba ka nilaza taminy hoe: «Modia misaona ianao, manaova akanjo fisaonana, aza mihosotra diloilo, ary manahafa vehivavy mandala olo-maty efa ela be ihany.


mbamin’ny divay izay mampifaly ny fon’ny olona, omeny diloilo izy hahamandina ny tavany, ary mofo hankahery ny fony.


Aoka ho fotsy mandrakariva ny fitafianao; ary tsy ho diso diloilo manitra ny lohanao.


Nampandroiko tamin’ny rano ianao, dia nosasako ho afaka aminao ny ranao, nohosorako diloilo.


Fa ianao kosa raha mifady hanina, dia hosory zava-manitra ny lohanao, ary sasao ny tavanao,


Ary amin’izao moa tsy havantsika va i Booza, tompon’ny ankizy vavy niarahanao? Indro fa hikororòka ny orja eo am-pamoloana izy anio alina.


Nony injay handeha handry izy, kendreo tsara izay toerana handriany dia midira ao, ka sokafy ny firakofany eo an-tongony ary mandria eo, fa holazainy aminao izay hataonao.»