Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Rota 3:12 - Baiboly Katolika

Ary amin’izao dia marina tokoa fa mahazo manavotra aho; nefa mbola misy havana akaiky kokoa noho izaho.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Ankehitriny, marina fa havana mahavotra aho, nefa misy havana mahavotra akaiky kokoa noho izaho.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Marina tokoa fa izaho dia havana mahavotra anao, kanefa mbola misy havana akaiky kokoa noho izaho mahavotra anao.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Marina tokoa fa izaho dia havana mahavotra anao, kanefa mbola misy havana akaiky kokoa noho izaho mahavotra anao.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary ankehitriny marina izany, fa havana mahavotra aho; nefa misy havana mahavotra akaiky kokoa noho izaho.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary ankehitriny marina izany, fa havana mahavotra aho; nefa misy havana mahavotra akaiky kokoa noho izaho.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Ankehitriny, marina fa havana mahavotra aho, nefa misy havana mahavotra akaiky kokoa noho izaho.

Jereo ny toko



Rota 3:12
7 Rohy Ifampitohizana  

Koa amin’izany, izay rehetra tianareo hataon’ny olona aminareo, dia mba ataovy amin’ny olona koa toraka izany, fa izany no Lalàna sy Mpaminany.


ary ny tsy hisian’olona manao an-keriny na an-kafetsena amin’ny rahalahiny amin’izany raharaha izany, fa ny Tompo no mpamaly izany rehetra izany, araka ny efa voalazanay sy nasehonay marina taminareo;


Ary hoy i Nôemì tamin’ity vinantony: «Hambinin’i Iaveh anie izy; fa tsy mitsahatra miantra ny velona, toy ny efa nataony tamin’ireo maty ihany koa.» Hoy i Nôemì taminy: «Havantsika akaiky io lehilahy io, sady anisan’izay mahazo manavotra antsika koa.»


Koa ankehitriny, anaka, aza matahotra fa hataoko ho anao avokoa izay rehetra holazainao, sady fantatry ny olona rehetra eto Betlehema fa vehivavy tsara toe-panahy ianao.


Ka anio alina, mitoera eto ihany; fa rahampitso raha te hanavotra anao izy, dia tsara, aoka hanavotra izy; fa raha tsy te hanavotra anao kosa izy, dia izaho no hanavotra anao. Velona i Iaveh! Fa mandria eo mandra-paharainan’ny andro».


Niakatra teo am-bavahadin’ny tanàna i Booza ka nipetraka tao. Ary ity tamy handalo eo ilay anankiray mahazo manavotra voalazan’i Booza, ka hoy izy taminy: «O Ranona irỳ ô, mijanòna kely, mipetraha eto.» Dia nijanona ilay lehilahy sady nipetraka.


Ka hoy aho hoe: tiako ny hampandre anao izany sy ny hilaza aminao hoe: Vidio izany eto anatrehan’izay mipetraka eto sy eo anoloan’ny loholona amin’ny fireneko. Raha te hanavotra ianao avoty; raha tsy tianao, dia ambarao izany mba ho fantatro; fa tsy misy olona mahazo manavotra alohanao; ary izaho no manarakaraka anao.» Dia hoy ny navaliny hoe: «Hanavotra aho»