Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Rota 2:3 - Baiboly Katolika

Dia nandeha izy ka nitsimpona salohim-bary tany amin’ny saha anankiray teo aorian’ny mpijinja, ary sendra teo amin’ny tanimbarin’i Booza, fianakavian’i Elimeleka indrindra, no nalehany.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Dia lasa nandeha izy ka nitsimpona tany an-tsaha teo aorianan’ny mpijinja. Ary sendra tonga tany amin’ny tanimbarin’i Boaza izay avy amin’ny fokon’i Elimeleka, izy.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Dia lasa i Rota ka nandeha nitsimpona teny an-tanimbary, teo aorian’ny mpijinja; ary sendra tao amin’ny tanimbary izay anjaran’i Bôhaza, fianakavian’i Elimelèka indrindra, no nandehanany.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Dia lasa i Rota ka nandeha nitsimpona teny an-tanimbary, teo aorian’ny mpijinja; ary sendra tao amin’ny tanimbary izay anjaran’i Bôhaza, fianakavian’i Elimelèka indrindra, no nandehanany.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Dia lasa nandeha izy ka nitsimpona tany an-tsaha teo aorian’ny mpijinja; ary sendra tonga tany amin’ny tanimbarin’i Boaza, izay avy amin’ny fokon’i Elimeleka, izy.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Dia lasa nandeha izy ka nitsimpona tany an-tsaha teo aorian'ny mpijinja; ary sendra tonga tany amin'ny tanimbarin'i Boaza, izay avy amin'ny fokon'i Elimeleka, izy.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Dia lasa nandeha izy ka nitsimpona tany an-tsaha teo aorianan’ny mpijinja. Ary sendra tonga tany amin’ny tanimbarin’i Boaza izay avy amin’ny fokon’i Elimeleka, izy.

Jereo ny toko



Rota 2:3
10 Rohy Ifampitohizana  

Ary izao no navalin’ilay zatovo nilaza ny vaovao taminy: «Sendra tany an-tendrombohitra Jelbôe aho, no inty i Saola nitehina tamin’ny lefony teo, efa saika tratry ny kalesy sy mpitaingin-tsoavaly mihitsy;


Nisy olon’i Beliala anankiray kosa teo, atao hoe Sebà zanak’i Bokrì, Benjaminita, ka nitsoka anjomara io dia nanao hoe: «Tsy manana anjara amin’i Davida isika, tsy manana lova miaraka amin’ny zanak’i Jese, ka samia mody any an-dainy avy, ry Israely ô!»


Mbola niresaka tamin’ny mpanjaka ny amin’ny nananganan’ny tompony olona iray amin’ny maty teo izy, no inty ilay vehivavy renin’ny zaza maty novelomin’i Elisea, nanomboka nitalaho tamin’ny mpanjaka, ny amin’ny tranony sy ny sahany, ka hoy i Giezỳ: «Ry mpanjaka tompoko ô: inty eto ilay vehivavy, indro eo koa ilay zanany maty novelomin’i Elisea.»


Moa tsy varifitoventy monja va no vidin’ny fody roa. Kanefa na ireny aza tsy hisy latsaka amin’ny tany iray akory raha tsy avelan’ny Rainareo.


Dia nisy kosa mpisorona anankiray nidina tamin’izany lalana izany ka nahita azy, nefa nandalo ihany.


Mandidy sy mananatra izany olona izany ao amin’i Jesoa Kristy Tompo izahay, mba hiasa amim-piadanana, ka hihinana ny azy ihany.


Ary hoy i Rota ilay Moabita tamin’i Nôemì: «Mba te-handeha ho any an-tsaha aho hitsimpona salohim-bary eo aorian’izay hahitako fitia eo imasony.» Ka hoy izy namaly azy: «Andeha, anaka.»


Ary indro tonga avy any Betlehema i Booza, ka niteny tamin’ny mpijinja hoe: «Ho ao aminareo anie i Iaveh.»