Rota 2:23 - Baiboly Katolika Ka dia niaraka tamin’ireo mpanompovavin’i Booza izy mandra-pahatapitry ny fijinjana ny orja sy ny frômanta. Ary tao amin’ny rafozany ihany izy no nitoetra. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary tsy nety nisaraka tamin’ny mpanompovovavin’i Boaza izy fa nitsimpona mandra-pahatapitra ny fijinjana ny varimbazaha; tao amin’ny rafozambaviny izy no nitoetra. DIEM PROTESTANTA Dia nandeha nitsimpona niaraka tamin’ireo vehivavy mpiasan’i Bôhaza i Rota mandra-pahavitan’ny fijinjana ny vary ôrza sy ny varimbazaha rehetra. Dia niara-nipetraka tamin’ny rafozambaviny hatrany izy. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Dia nandeha nitsimpona niaraka tamin’ireo vehivavy mpiasan’i Bôhaza i Rota mandra-pahavitan’ny fijinjana ny vary ôrza sy ny varimbazaha rehetra. Dia niara-nipetraka tamin’ny rafozambaviny hatrany izy. Baiboly Protestanta Malagasy Ary izy tsy nety nisaraka tamin’ny zatovovavin’i Boaza, fa nitsimpona mandra-pahatapitry ny fijinjana ny vary hordea sy ny vary tritika; ary nitoetra tao amin’ny rafozani-vavy izy. Malagasy Bible Ary izy tsy nety nisaraka tamin'ny zatovovavin'i Boaza, fa nitsimpona mandra-pahatapitry ny fijinjana ny vary hordea sy ny vary tritika; ary nitoetra tao amin'ny rafozani-vavy Izy. La Bible en Malgache Ary tsy nety nisaraka tamin’ny mpanompovovavin’i Boaza izy fa nitsimpona mandra-pahatapitra ny fijinjana ny varimbazaha; tao amin’ny rafozambaviny izy no nitoetra. |
Ny zanaka hendry vavolombelon’ny fampianaran-drainy; fa ny mpamazivazy tsy mihaino ny fananarana.
Ny tamà-miaraka amin’ny hendry, hihahendry; fa ny mivarilena amin’ny adala, hiharatsy.
Ary raha mbola teo ambany amin’ny tokotany i Piera, dia nankeo aminy ny anankiray tamin’ny ankizivavin’ny lehiben’ny mpisorona.
Aza mety hofitahina ianareo, fa ny fiarahana amin’ny ratsy manimba ny fitondran-tena tsara.
Hanisa herinandro fito ianao, ka raha vao santarina amin’ny antsim-bary ny vary dia hatombokao ny fanisana herinandro fito;
Toy izany no nodian’i Nôemì, ary niaraka taminy i Rota, Moabita, vinantovaviny izay avy amin’ny tanin’i Moaba. Tonga teo Betlehema izy ireo tamin’ny niandohan’ny fijinjana orja.
Ka hoy i Nôemì tamin’i Rota vinantony: «Tsara, anaka, raha miaraka amin’ny mpanompovaviny ianao, fandrao dia asian’ny olona ratsy, raha any an-tsaha hafa.»