Aza mahafoy ny sakaizanao aman-tsakaizan-drainao; ary aza miditra ny tranon’ny rahalahinao amin’ny andron’ny fahorianao: fa aleo namana akaiky toy izay havan-davitra.
Rota 2:22 - Baiboly Katolika Ka hoy i Nôemì tamin’i Rota vinantony: «Tsara, anaka, raha miaraka amin’ny mpanompovaviny ianao, fandrao dia asian’ny olona ratsy, raha any an-tsaha hafa.» Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary hoy i Naomy tamin’i Rota vinantovaviny: Tsara izany anaka, raha miara-miasa amin’ny zatovovavy ianao, fandrao hisy haninona anao raha any amin’ny saha hafa. DIEM PROTESTANTA Dia hoy i Nahômỳ tamin’i Rota vinantovaviny: –Tsara izany anaka, satria hivoaka miaraka amin’ireo vehivavy mpiasan’i Bôhaza ianao, fandrao hisy hikasi-tanana anao raha any amin’ny tanimbary hafa. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Dia hoy i Nahômỳ tamin’i Rota vinantovaviny: –Tsara izany anaka, satria hivoaka miaraka amin’ireo vehivavy mpiasan’i Bôhaza ianao, fandrao hisy hikasi-tanana anao raha any amin’ny tanimbary hafa. Baiboly Protestanta Malagasy Ary hoy Naomy tamin’i Rota vinantoni-vavy: Tsara izany, anaka, raha miara-mivoaka amin’ny ankizivavy hianao, fandrao hisy haninona anao raha any an-tsaha hafa. Malagasy Bible Ary hoy Naomy tamin'i Rota vinantoni-vavy: Tsara izany, anaka, raha miara-mivoaka amin'ny ankizivavy ianao, fandrao hisy haninona anao raha any an-tsaha hafa. La Bible en Malgache Ary hoy i Naomy tamin’i Rota vinantovaviny: Tsara izany anaka, raha miara-miasa amin’ny zatovovavy ianao, fandrao hisy haninona anao raha any amin’ny saha hafa. |
Aza mahafoy ny sakaizanao aman-tsakaizan-drainao; ary aza miditra ny tranon’ny rahalahinao amin’ny andron’ny fahorianao: fa aleo namana akaiky toy izay havan-davitra.
Raha tsy fantatrao izany, ry tsara tarehy indrindra amin’ny vehivavy, mandehana manaraka ny biby fiompinao, dia andraso eny akaikin’ny trano bongon’ny mpiandry ondry, ny zanak’osinao.
Ary raha mbola teo ambany amin’ny tokotany i Piera, dia nankeo aminy ny anankiray tamin’ny ankizivavin’ny lehiben’ny mpisorona.
Dia hoy i Rota, ilay Moabita: «Izao koa no nolazainy tamiko: Miaraha amin’ny mpanompoko ianao, mandra-pahataperany ny fijinjana».
Ka dia niaraka tamin’ireo mpanompovavin’i Booza izy mandra-pahatapitry ny fijinjana ny orja sy ny frômanta. Ary tao amin’ny rafozany ihany izy no nitoetra.