Dia izao no navalin’i Etaia ny mpanjaka nataony hoe: Velona i Iaveh ary velona koa ny mpanjaka tompoko! Fa na ho aiza na ho aiza ny mpanjaka, na ho faty na ho velona, dia ho ao koa ny mpanomponao.
Rota 1:17 - Baiboly Katolika izay tany hahafatesanao no hahafatesako, sady any koa no handevenana ahy. Hoentin’i Iaveh amin’izay sarotra indrindra anie aho, raha tsy ny fahafatesana tokana no hahasaraka ahy aminao.» Baiboly Protestanta Malagasy 2011 izay tany hahafatesanao no hahafatesako, sady any koa no handevenana ahy; hataon’NY TOMPO amiko anie izany, eny, mihoatra noho izany aza, raha tsy ny fahafatesana ihany no hampisaraka antsika! DIEM PROTESTANTA ao amin’izay hahafatesanao no hahafatesako sady ao no hilevenako. Hataon’ny TOMPO amiko anie ny famaizana mafy indrindra raha tsy ny fahafatesana ihany no hampisaraka ahy aminao! Dikateny Iombonana Eto Madagasikara ao amin’izay hahafatesanao no hahafatesako sady ao no hilevenako. Hataon’ny TOMPO amiko anie ny famaizana mafy indrindra raha tsy ny fahafatesana ihany no hampisaraka ahy aminao! Baiboly Protestanta Malagasy izay tany hahafatesanao no hahafatesako, sady any koa no handevenana ahy; hataon’i Jehovah amiko anie izany, eny, mihoatra noho izany aza, raha tsy ny fahafatesana ihany no hampisaraka antsika. Malagasy Bible izay tany hahafatesanao no hahafatesako, sady any koa no handevenana ahy; hataon'i Jehovah amiko anie izany, eny mihoatra noho izany aza, raha tsy ny fahafatesana ihany no hampisaraka antsika. La Bible en Malgache izay tany hahafatesanao no hahafatesako, sady any koa no handevenana ahy; hataon’NY TOMPO amiko anie izany, eny, mihoatra noho izany aza, raha tsy ny fahafatesana ihany no hampisaraka antsika! |
Dia izao no navalin’i Etaia ny mpanjaka nataony hoe: Velona i Iaveh ary velona koa ny mpanjaka tompoko! Fa na ho aiza na ho aiza ny mpanjaka, na ho faty na ho velona, dia ho ao koa ny mpanomponao.
Ianareo no rahalahiko, ianareo no taolako ama-nofoko, ka nahoana no dia ianareo indray no ho farany amin’ny fampodiana ny mpanjaka?
ary nanatona an’i Davida nampihinan-kanina azy ny vahoaka rehetra, raha mbola antoandro ny andro; nefa nianiana i Davida nanao hoe: «Hoentin’i Iaveh amin’izay ngidiny indrindra anie aho, raha hanendry hanina na zavatra hafa na inona na inona, alohan’ny maty masoandro!»
Hoentin’Andriamanitra amin’izay ngidiny indrindra anie i Abnera raha tsy hataoko amin’i Davida araka izay nianianan’i Iaveh taminy,
Nony avy nandevina azy izy, dia nanao tamin’ireto zanany hoe: «Raha avy izay hahafatesako, dia aleveno amin’ny fasana ilevenan’ity olon’Andriamanitra ity aho, ka ataovy eo anilan’ny taolany ny taolako.
Ka naniraka olona ho any amin’i Elia, i Jezabela, hilaza aminy hoe: «Hataon’ireo andriamanitra amin’izay ngidiny indrindra anie aho, raha tsy ataoko toy ny ain’izy ireny tsirairay avy ny ainao, rahampitso toy izao.»
Nianiana tamin’i Iaveh teo i Salômôna mpanjaka, nanao hoe: «Hataon’i Iaveh amiko anie izay ngidiny indrindra, raha tsy ho faty noho ny nanaovany an’izany teny izany i Adoniasa.
Naniraka olona i Benadaba hilaza amin’i Akaba hoe: «Hataon’ireo andriamanitra amin’izay ngidiny indrindra anie aho raha ho ampy eran-tanan’ilan’ny isan’olona manaraka ahy akory ny vovok’i Samaria.»
Ary hoy ny mpanjaka: «Hataon’i Iaveh amin’izay ngidiny indrindra anie aho, raha tafajanona eo amin’ny tenany ihany anio ny lohan’i Elisea zanak’i Safata.»
Zanaka vavin’Andriamanitra no isan’ny malalanao; ny mpanjakavavy miravaka volamenan’i Ofira no eo ankavananao.
Nony tonga tany izy ka nahita ny fahasoavan’Andriamanitra, dia faly sy namporisika azy rehetra mba haharitra ao amin’ny Tompo amin-kerim-po.
Tsy misy atahorako anefa izany zavatra izany; ary tsy ataoko ho zavatra ny aiko rehefa tanteraka ny diako, ka vitako ny raharaha noraisiko tamin’i Jesoa Tompo, dia ny mitory ny Evanjelin’ny fahasoavan’Andriamanitra.»
Fa hoy i Rota: «Aza manery ahy handao anao ka hody any lavitra anao, fa izay halehanao no halehako, izay honenanao no honenako, ny firenenao no ho fireneko, ny Andriamanitrao no ho Andriamanitro;
Io no hamelona ny ainao sy ho tohan’ny fahanteranao, fa naterak’ilay vinantonao izay tia anao ka mihoatra noho ny zanaka lahy fito ho anao.»
Dia hoy i Saola: «Hasian’Andriamanitra mafy indrindra anie aho, raha tsy hatao maty tokoa ianao, ry Jônatasy!»
dia aoka hoentin’i Iaveh amin’izay ngidiny indrindra i Jônatasy. Ary raha ny hanisy ratsy anao no sitrak’idada dia hampandrenesiko izany koa ianao, ka halefako mba handehananao amim-piadanana, ary homban’i Iaveh anao, toy ny nombany an’idada.
Hoentin’i Iaveh amin’ny ngidiny indrindra anie ny fahavalon’i Davida. Tsy hasiako miangana, rehefa mety ho an’i Nabala, mandra-pahamaraina ny andro, na dia lehilahy iray aza».
Ary hoy i Helì: «Inona no teny voalaza taminao? Masìna ianao, aza anafenana amiko. Hoentin’i Iaveh amin’izay sarotra indrindra anie ianao, raha misy afeninao amiko izay rehetra nolazainy taminao.»