Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Rota 1:12 - Baiboly Katolika

Mandehana mody, anaka. Efa antitra aho ka tsy hanambady intsony. Ary na dia hilaza aho fa manantena ihany, na dia hanam-bady anio alina ihany sy hiteraka zazalahy aza,

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Mandehana miverena, anaka! Fa efa antitra aho ka tsy hahazo vady intsony. Raha hoy aho: Mbola misy fanantenana ihany ho ahy, eny, na dia hanambady anio alina aza aho ka hiteraka zazalahy,

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Mandehana mody, rey anaka, satria efa antitra aho izao ka tsy hahazo vady intsony. Ary na dia hilaza aza aho hoe: «Mbola misy fanantenana ho ahy; fa rahalina ihany, dia hanambady aho ary hiteraka zazalahy koa!»,

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Mandehana mody, rey anaka, satria efa antitra aho izao ka tsy hahazo vady intsony. Ary na dia hilaza aza aho hoe: «Mbola misy fanantenana ho ahy; fa rahalina ihany, dia hanambady aho ary hiteraka zazalahy koa!»,

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Miverena ihany hianareo, anaka, ka mandehana; fa efa antitra aho ka tsy hahazo vady intsony tsy akory. Raha hoy izaho: Manantena ihany aho, eny, na dia hanam-bady anio alina aza aho ka hiteraka zazalahy,

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Miverena ihany ianareo, anaka, ka mandehana; fa efa antitra aho ka tsy hahazo vady intsony tsy akory. Raha hoy izaho: Manantena ihany aho, eny, na dia hanam-bady anio alina aza aho ka hiteraka zazalahy,

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Mandehana miverena, anaka! Fa efa antitra aho ka tsy hahazo vady intsony. Raha hoy aho: Mbola misy fanantenana ihany ho ahy, eny, na dia hanambady anio alina aza aho ka hiteraka zazalahy,

Jereo ny toko



Rota 1:12
5 Rohy Ifampitohizana  

Niankohoka tamin’ny tany i Abrahama sady nihomehy nanao anakampo hoe: «Lehilahy efa zato taona va ka dia mbola hiteraka indray! Ary i Sarà, vehivavy efa sivy folo taona ve ka dia hiteraka!»


Ary hoy i Jodà tamin’i Tamara, vinantovaviny: «Mitoera ho mpitondratena ao an-tranon-drainao mandra-pahalehiben’i Selà, zanako lahy.» Fa hoy izy anakam-po: «Tsy tokony ho faty toa an’ireo rahalahiny koa izy.» Dia nandeha i Tamara, ka nitoetra tany an-tranon-drainy.


Ny soratana ho isan’ny mpitondratena dia aoka tsy ho latsaka ny enimpolo taona, tsy nanambady afa-tsy indray mandeha,


Fa hoy i Nôemì: «Modia, anaka, ahoana no hiarahanareo amiko? Mbola misy zazalahy mety ho vadinareo va ato an-kiboko?


moa hahandry mandra-pahalehiben’izany va ianareo? Moa hahajanona tsy hanam-bady fanindroany noho izany? Tsia, anaka. Noho ianareo dia mangidy amiko indrindra ny namelezan’ny tanan’i Iaveh ahy».