Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Nomery 9:6 - Baiboly Katolika

Nisy olona sasany sendra voaloto tamim-paty ka tsy afa-nanao ny Paka tamin’izany andro izany. Nankeo anatrehan’i Môizy sy i Aarôna androtr’izay ihany izy ireo, ka nanao tamin’i Môizy hoe:

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Ary nisy olona sasany izay naloto tamim-paty ka tsy nahazo nitandrina ny Paska tamin’izany andro izany. Nankeo anatrehan’i Mosesy sy i Arona izy ireo tamin’io andro io

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Tamin’izay andro izay anefa dia nisy olona sasany voaloton’ny fatin’olona ka tsy nahazo nankalaza ny Paska. Koa dia nankany amin’i Mosesy sy i Aharôna izy androtr’io ihany

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Tamin’izay andro izay anefa dia nisy olona sasany voaloton’ny fatin’olona ka tsy nahazo nankalaza ny Paska. Koa dia nankany amin’i Mosesy sy i Aharôna izy androtr’io ihany

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary nisy olona sasany izay naloto tamim-paty ka tsy nahazo nitandrina ny Paska tamin’izany andro izany; dia nankeo anatrehan’i Mosesy sy Arona izy tamin’izany andro izany

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary nisy olona sasany izay naloto tamim-paty ka tsy nahazo nitandrina ny Paska tamin'izany andro izany; dia nankeo anatrehan'i Mosesy sy Arona izy tamin'izany andro izany

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Ary nisy olona sasany izay naloto tamim-paty ka tsy nahazo nitandrina ny Paska tamin’izany andro izany. Nankeo anatrehan’i Mosesy sy i Arona izy ireo tamin’io andro io

Jereo ny toko



Nomery 9:6
16 Rohy Ifampitohizana  

Ary hoy i Môizy tamin’ny rafozany: «Ka inona moa fa manatona ahy ny olona hanontany hevitra amin’Andriamanitra.


Koa henoy ny teniko: fa indro homeko hevitra ianao ary Andriamanitra anie homba anao: Aoka ianao ho solontenan’ny vahoaka eo amin’Andriamanitra, hanatitra ny adiny eo anatrehan’Andriamanitra.


Dia ireo no nitsara ny vahoaka mandrakariva; ny raharaha lehibe nentiny teo anatrehan’i Môizy; ny raharaha madinika notapahin’izy ireo ihany.


Tsy hiditra am-paty izy ka tsy handoto ny tenany, na amin’ny rainy na amin’ny reniny.


Ny zanaka lahin’ny vehivavy Israelita nanevateva ny Anarana masina sady nanozona; ary ny anaran-dreniny dia Salômita, zanak’i Dabrỳ, avy amin’ny fokon’i Dana;


Nentin’ireo nahita azy nanangona kitay hazo teo amin’i Môizy sy i Aarôna ary ny fiangonana rehetra izy.


Izay mikasika faty, rehefa mety ho fatin’olona, dia haloto hafitoana.


Izao no lalàna: Raha misy olona maty ao amin’ny trano lay anankiray, dia haloto hafitoana avokoa ny olona rehetra miditra ao an-day, sy ny zavatra rehetra ao anatin’ny lay.


Na iza na iza any an-tsaha, mikasika olona novonoin-tsabatra, na fatin’olona, na taolam-paty, na fasana, dia haloto hafitoana.


Ary haka hisopa ny lehilahy madio anankiray ka handroboka azy eo amin’ny rano, dia hamafy izany amin’ny lay sy amin’ny fanaka rehetra, ary amin’ny olona rehetra tao, amin’izay nikasika taolana, na olona novonoina, na faty, na fasana.


Teo anatrehan’i Môizy sy i Eleazara mpisorona, ary ny lohan’ny fiangonana rehetra izy ireo; teo am-baravaran’ny trano lay fihaonana ka nanao hoe:


Dia nentin’i Môizy teo anatrehan’i Iaveh ny fitarainan’izy ireo,


«Asaovy avoaky ny zanak’i Israely any ivelan’ny toby izay rehetra boka, na voan’ny fitsihana, na voaloton’ny faty.


«Voaloto tamim-paty izahay, nahoana izahay no tsy afaka hanolotra ny fanatitray amin’i Iaveh amin’ny fotoana voatendry, eo afovoan’ny zanak’i Israely?»


Dia nentiny niala tao amin’i Kaifa i Jesoa ho any an-tranon’ny governora. Efa maraina ny andro tamin’izay. Tsy niditra tao an-trano anefa izy ireo, fandrao voaloto ka tsy afa-mihinana ny Paka.