satria efa nihaino ny feoko i Abrahama ary nitandrina ny teniko sy ny didiko amam-pitsipiko sy ny lalàko».
Nomery 9:23 - Baiboly Katolika Didin’i Iaveh no nitobiany, didin’i Iaveh no niaingany: nitandrina ny didin’i Iaveh izy ireo, araka ny tenin’i Iaveh izay nomeny tamin’ny alalan’i Môizy. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Araka ny didin’NY TOMPO no nitobiany, ary araka ny didin’NY TOMPO no niaingany; nitandrina ny fanompoana NY TOMPO izy ireo, araka ny tenin’NY TOMPO izay nampitondrainy an’i Mosesy. DIEM PROTESTANTA Baikon’ny TOMPO no nitobiany, ary baikon’ny TOMPO no niaingany. Nitandrina ny fanompoana ny TOMPO araka ny baiko nomeny tamin’ny alalan’i Mosesy izy ireo. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Baikon’ny TOMPO no nitobiany, ary baikon’ny TOMPO no niaingany. Nitandrina ny fanompoana ny TOMPO araka ny baiko nomeny tamin’ny alalan’i Mosesy izy ireo. Baiboly Protestanta Malagasy Araka ny didin’i Jehovah no nitobiany, ary araka ny didin’i Jehovah no niaingany; nitandrina izay nasain’i Jehovah notandremany izy, araka ny tenin’i Jehovah izay nampitondrainy an’i Mosesy. Malagasy Bible Araka ny didin'i Jehovah no nitobiany, ary araka ny didin'i Jehovah no niaingany; nitandrina izay nasain'i Jehovah notandremany izy, araka ny tenin'i Jehovah izay nampitondrainy an'i Mosesy. La Bible en Malgache Araka ny didin’NY TOMPO no nitobiany, ary araka ny didin’NY TOMPO no niaingany; nitandrina ny fanompoana NY TOMPO izy ireo, araka ny tenin’NY TOMPO izay nampitondrainy an’i Mosesy. |
satria efa nihaino ny feoko i Abrahama ary nitandrina ny teniko sy ny didiko amam-pitsipiko sy ny lalàko».
hoentinao amin’ny torohevitrao aho, dia horaisinao any amin’ny voninahitra, rehefa afaka izany.
Niala tao an’efitra Sina ny fiangonan’ny zanak’i Israely rehetra, araka ny dia nandidian’i Iaveh azy, dia nitoby tao Rafidima, ka tsy nahita rano hosotroina tao ny vahoaka.
tahaka ny biby fiompy midina ho eny an-dohasaha? Notarihin’ny fanahin’i Iaveh ho amin’ny fitsaharana izy. Toy izany no nitarihanao ny vahoakanao, mba hahazoanao anarana be voninahitra.
Ianareo tsy nanefa ny fanompoana momba ireo zavatro masina; fa ireo hafa firenena no notendrenareo hanao ny fanompoana soa.
Izao no lazain’i Iavehn’ny tafika: Raha mizotra amin’ny lalako ianao sy mahatoky ianao amin’ny fanaovana ny raharahako, dia hanapaka ny tranoko koa ianao; sy hiambina ny kianjako, sady havelako malalaka hiditra ho isan’ireto izay mitoetra atỳ.
Raha nipetraka ela teo ambonin’ny Fonenana ny rahona, dia nanaraka ny didin’i Iaveh ny zanak’i Israely ka tsy nifindra.
Tsy nandao ny rahalahinareo ianareo, hatramin’izay andro lava izay ka mandraka androany, ka nitandrina tsara ny didin’i Iaveh Andriamanitrareo.