Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Nomery 9:22 - Baiboly Katolika

Raha nipetraka teo ambonin’ny Fonenana andro maro, na volana iray na taona iray, ny rahona, dia naharitra nitoby teo ny zanak’i Israely, fa tsy niainga; fa nony vao niakatra izy dia niainga izy ireo.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Na roa andro, na iray volana, na ela noho izany aza, no nijanonan’ny rahona teo ambonin’ny tabernakely, dia mbola nitoby ihany ny Zanak’Israely fa tsy niainga; raha vao niakatra kosa ny rahona dia niainga izy.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Eny, fa na mijanona maharitra roa andro na iray volana na ela noho izany eo ambonin’ny Fonena-masina aza ny rahona, dia mitoby hatrany ny Israelita fa tsy mandeha; rehefa miakatra ny rahona, vao izay izy no miainga.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Eny, fa na mijanona maharitra roa andro na iray volana na ela noho izany eo ambonin’ny Fonena-masina aza ny rahona, dia mitoby hatrany ny Israelita fa tsy mandeha; rehefa miakatra ny rahona, vao izay izy no miainga.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary na indroa andro, na iray volana, na ela aza, no nijanonan’ny rahona teo ambonin’ny tabernakely dia mbola nitoby ihany ny Zanak’Isiraely, fa tsy niainga; fa raha niakatra kosa ny rahona, dia niainga izy.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary na indroa andro, na iray volana, na ela aza, no nijanonan'ny rahona teo ambonin'ny tabernakely dia mbola nitoby ihany ny Zanak'Isiraely, fa tsy niainga; fa raha niakatra kosa ny rahona, dia niainga izy.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Na roa andro, na iray volana, na ela noho izany aza, no nijanonan’ny rahona teo ambonin’ny tabernakely, dia mbola nitoby ihany ny Zanak’Israely fa tsy niainga; raha vao niakatra kosa ny rahona dia niainga izy.

Jereo ny toko



Nomery 9:22
18 Rohy Ifampitohizana  

Nitondra azy tamin’ny lala-mahitsy izy, hampahatongavany azy amin’ny tanàna fonenana.


Ampianaro hanao ny sitraponao aho fa Ianao no Andriamanitro. Ny fanahinao tsara anie hitarika ahy, eo amin’ny lala-mahitsy.


Hampianariko sy hasehoko anao izay lalan-kizoranao; ho mpanolo-tsaina anao Aho, sady hitsinjo anao ny masoko.


Jereo tsara ny mandany; diniho ireo lapany, hitantarana azy amin’ny taranaka ho avy.


hoentinao amin’ny torohevitrao aho, dia horaisinao any amin’ny voninahitra, rehefa afaka izany.


Lalana nalehanao ny ranomasina, sakeli-dalana nombanao ny ranobe, ka tsy nisy nahafantarana ny dianao.


Vitan’ny zanak’i Israely izany asa rehetra izany, araka izay rehetra nandidian’i Iaveh an’i Môizy.


Dia nataon’i Môizy izay rehetra nandidian’i Iaveh azy, dia vitany araka izany.


Dia notanterahin’ny zanak’i Israely avokoa izay rehetra nandidian’i Iaveh an’i Môizy; nataony izany.


Dia nataon’i Môizy sy i Aarôna mbamin’ny fiangonan’ny zanak’i Israely rehetra tamin’ny Levita, izay rehetra nandidian’i Iaveh an’i Môizy momba ny Levita; izany no nataon’ny zanak’i Israely tamin’izy ireo.


Nony nisondrotra niala tamin’ny trano lay ny rahona, dia niainga nifindra toby ny zanak’i Israely; ary eo amin’izay ijanonan’ny rahona no itobiany.


Raha nipetraka hatramin’ny hariva ka hatramin’ny maraina ny rahona, ary niakatra nony maraina, dia niainga izy ireo, na raha afaka indray andro sy indray alina, vao niakatra ny rahona, dia niainga izy ireo.


Ary ilay niaraka tamin’izy ireo iny Izy, dia nanafatra azy mba tsy hiala ao Jerosalema, fa hiandry izay nampanantenain’ny Ray, araka ny efa renareo tamin’ny vavako, hoy Izy.