Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Nomery 9:16 - Baiboly Katolika

Toy izany ihany hatrany hatrany: ny rahona nanarona ny Fonenana ary nitarehin’afo izy amin’ny alina.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Izany mandrakariva no niseho: Ny rahona dia nanarona azy, nefa niseho tahaka ny afo nony alina.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Dia toy izany mandrakariva, fa norakofan-drahona ny Fonena-masina nefa mazava toy ny afo ilay rahona amin’ny alina.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Dia toy izany mandrakariva, fa norakofan-drahona ny Fonena-masina nefa mazava toy ny afo ilay rahona amin’ny alina.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Dia toy izany mandrakariva izy: ny rahona nanarona azy, nefa niseho tahaka ny afo izy nony alina.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Dia toy izany mandrakariva izy: ny rahona nanarona azy, nefa niseho tahaka ny afo izy nony alina.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Izany mandrakariva no niseho: Ny rahona dia nanarona azy, nefa niseho tahaka ny afo nony alina.

Jereo ny toko



Nomery 9:16
13 Rohy Ifampitohizana  

Andry rahona no nitarihanao azy raha antoandro, ary andry afo nony alina, mba hanazava eo anatrehany ny lalan-kalehany.


noho ny haben’ny famindram-ponao, dia tsy nafoinao tany an’efitra izy, ka tsy niala teo akaikiny ny andry rahona fa nitari-dalana azy raha antoandro, na ny andry afo fa nanazava azy nony alina, amin’ny lalan-kalehany.


Namelatra rahona hanalokaloka azy Izy, ary afo hanazava azy amin’ny alina.


Nitarika azy tamin’ny rahona nony andro, ary tamin’ny afo mazava mandritra ny alina.


Tamin’izay ny rahona nanarona ny trano lay fihaonana; ary ny voninahitr’i Iaveh nameno ny Fonenana.


Fa ny rahon’i Iaveh dia nijanona teo ambonin’ny Fonenana, raha antoandro ny andro, ary amin’ny alina dia nisy afo, hitan’ny taranak’i Israely rehetra, teo amin’ny rahona, mandritra ny andro rehetra nandehanany.


Fa tsy tiako tsy ho fantatrareo, ry kristianina havana, fa tambanin’ny rahona ny razantsika rehetra; namaky ny ranomasina izy rehetra;


satria Andriamanitra no nampihavana an’izao tontolo izao aminy indray, tamin’ny alalan’i Jesoa Kristy, ka tsy nitana ny fahotan’ny olona, sy nametraka ny teny fampihavanana taminay.


izay nandeha teo alohanareo teny an-dalana, hitady toerana hitobianareo: ny alina Izy teo amin’ny afo hanoro lalana nety halehanareo; ny antoandro indray teo amin’ny rahona.»


Ary inay nisy feo mahery reko avy ao amin’ny seza fiandrianana nanao hoe: «Indro ny tranolain’Andriamanitra tonga eny amin’ny olona, ary Izy hiara-monina amin’izy ireo. Izy ireo moa ho vahoakany, ary Izy Andriamanitra mitoetra eny aminy kosa, ho Andriamanitr’izy ireo.