Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Nomery 9:16 - DIEM PROTESTANTA

16 Dia toy izany mandrakariva, fa norakofan-drahona ny Fonena-masina nefa mazava toy ny afo ilay rahona amin’ny alina.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

16 Izany mandrakariva no niseho: Ny rahona dia nanarona azy, nefa niseho tahaka ny afo nony alina.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

16 Dia toy izany mandrakariva, fa norakofan-drahona ny Fonena-masina nefa mazava toy ny afo ilay rahona amin’ny alina.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

16 Toy izany ihany hatrany hatrany: ny rahona nanarona ny Fonenana ary nitarehin’afo izy amin’ny alina.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

16 Dia toy izany mandrakariva izy: ny rahona nanarona azy, nefa niseho tahaka ny afo izy nony alina.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

16 Dia toy izany mandrakariva izy: ny rahona nanarona azy, nefa niseho tahaka ny afo izy nony alina.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

16 Izany mandrakariva no niseho: Ny rahona dia nanarona azy, nefa niseho tahaka ny afo nony alina.

Jereo ny toko dika mitovy




Nomery 9:16
13 Rohy Ifampitohizana  

Andry rahona no nitarihanao azy raha antoandro, ary andry afo kosa nony alina, mba hanazava ny lalan-kalehany.


kanefa noho Ianao be famindrampo, dia tsy nafoinao tany an-taniefitra izy: Ny andry rahona, izay nitari-dalana azy raha antoandro, dia tsy niala teo akaikiny na ny andry afo nony alina mba hanazava ny lalan-kalehany,


Dia novelarin’Andriamanitra ny rahona hanalokaloka ny vahoakany, ary najorony koa ny afo hanazava azy nony alina.


Andry rahona no nitarihany azy tamin’ny antoandro ary ny hazavan’ny afo nandritra ny alina.


Nandrakotra ny Tranolay fihaonana ny rahona, ka nanenika ilay fonena-masina ny voninahitry ny TOMPO;


Nandritra ny dia rehetra nataon’ny Israelita, dia nandrakotra ny fonena-masina ilay rahona nony antoandro ary nisy afo mazava teo aminy nony alina; izany no nanehoan’ny TOMPO fa teo anatrehan’ny Israelita rehetra hatrany Izy.


Tiako hotsarovanareo, ry havako, izay nanjo ireo razantsika niara-dia tamin’i Mosesy. Tambanin’ny rahona izy rehetra; ary namakivaky ny Ranomasina Mena izy rehetra.


Eny, Andriamanitra tsy nitana ny fahotan’ny olona fa nampihavana ny olona rehetra aminy indray tamin’ny alalan’i Kristy; ary efa napetrak’Andriamanitra taminay izany teny mitory fampihavanana izany.


Kanefa Izy no nandeha teo alohanareo teny an-dalana mba hitady toerana hitobianareo; ka ny afo nony alina ary ny rahona nony antoandro no nisehoany hanoro izay lalana nety halehanareo.


Ary nisy feo mahery reko avy teo amin’ilay sezafiandrianana ka nanao hoe: «Indro ny fonenan’Andriamanitra tonga eny amin’ny olona, ary Andriamanitra dia hiara-monina aminy; ka izy ireo ho vahoakany, ary ilay Andriamanitra miaraka aminy kosa ho Andriamanitr’izy ireo.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra