Amin’ny andro fahavalo izy hitondra zanak’ondry tsy misy kilema roa, ondrivavy vao iray taona, tsy misy kilema, iray, lafarina tsara indrindra telo ampahafolon’ny efah, voadity tamin’ny diloilo, hatao fanatitra, ary diloilo iray loga.
Nomery 7:43 - Baiboly Katolika izao no nateriny: lovia volafotsy iray, lanjana 130 sikla, kapoaka volafotsy iray, 70 sikla, araka ny sikla masina; samy feno lafarina tsara indrindra voadity tamin’ny diloilo izy roa ireo, ho fanatitra; Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ny fanatiny dia lovia volafotsy iray, sekela telopolo amby zato no lanjany, ary lovia volafotsy iray famafazana, sekela fitopolo, araka ny sekela masina; izy roa dia samy feno koba tsara toto voaharo diloilo, ho fanatitra avy amin’ny zavamaniry; Baiboly Protestanta Malagasy Ny fanatiny dia lovia volafotsy iray, sekely telo-polo amby zato no lanjany, sy lovia volafotsy iray famafazana, sekely fito-polo, araka ny sekely masina; izy roa samy feno koba tsara toto voaharo diloilo, ho fanatitra hohanina; Malagasy Bible Ny fanatiny dia lovia volafotsy iray, sekely telo-polo amby zato no lanjany, sy lovia volafotsy iray famafazana, sekely fito-polo, araka ny sekely masina; izy roa samy feno koba tsara toto voaharo diloilo, ho fanatitra hohanina; La Bible en Malgache Ny fanatiny dia lovia volafotsy iray, sekela telopolo amby zato no lanjany, ary lovia volafotsy iray famafazana, sekela fitopolo, araka ny sekela masina; izy roa dia samy feno koba tsara toto voaharo diloilo, ho fanatitra avy amin’ny zavamaniry; |
Amin’ny andro fahavalo izy hitondra zanak’ondry tsy misy kilema roa, ondrivavy vao iray taona, tsy misy kilema, iray, lafarina tsara indrindra telo ampahafolon’ny efah, voadity tamin’ny diloilo, hatao fanatitra, ary diloilo iray loga.
«Ary raha mofo endin-dapoaly no atolotrao ho fanatitra, dia mofo lafarina tsara indrindra voadity amin’ny diloilo, tsy misy lalivay.
Efa nomen-dreniny hevitra rahateo razazavavy, ka hoy izy hoe: «Omeo ahy eto amin’ny lovia ny lohan’i Joany Batista.»
Tia ny fahamarinana Ianao, fa mankahala ny heloka kosa, ka nohosoran’Andriamanitra, izay Andriamanitrao, diloilom-pifaliana mihoatra noho ny namanao rehetra.
Ary ianareo, ilay fanosorana noraisinareo taminy no mitoetra ao aminareo, ka tsy mila hampianarin’olona ianareo, fa izany fanosorana izany no mampianatra anareo ny zavatra rehetra, ary marina fa tsy lainga ny fampianarany, ka tomoera ao aminy araka ny fampianarany anareo.