Nomery 7:18 - Baiboly Katolika Tamin’ny andro faharoa, i Natanaely zanak’i Soara, filohan’i Isakara, no nanolotra ny fanatiny. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Tamin’ny andro faharoa dia i Netanela, zanak’i Zoara, lohan’ny taranak’i Isakara, no nanolotra ny fanatiny. Baiboly Protestanta Malagasy Ary tamin’ny andro faharoa dia Netanela, zanak’i Zoara, lohan’ny taranak’Isakara, no nanatitra. Malagasy Bible Ary tamin'ny andro faharoa dia Netanela, zanak'i Zoara, lohan'ny taranak'Isakara, no nanatitra. La Bible en Malgache Tamin’ny andro faharoa dia i Netanela, zanak’i Zoara, lohan’ny taranak’i Isakara, no nanolotra ny fanatiny. |
Ny fokon’i Isakara no hitoby eo anilany. Ny filohan’ny taranak’i Isakara dia i Natanaely zanak’i Soara,
ary omby roa, ondralahy dimy, osy lahy dimy, zanak’ondry dimy, efa iray taona, ho sorom-pihavanana. Ireo no fanatitr’i Nahasôna zanak’i Aminadaba.
Izao no nateriny: lovia volafotsy iray, lanjana telopolo amby zato sikla, kapoaka volafotsy iray, fitopolo sikla, araka ny sikla masina, samy feno lafarina tsara indrindra izy roa ireo, ho fanatitra,