Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Nomery 5:2 - Baiboly Katolika

«Asaovy avoaky ny zanak’i Israely any ivelan’ny toby izay rehetra boka, na voan’ny fitsihana, na voaloton’ny faty.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Mandidia ny Zanak’Israely hamoaka ny boka rehetra sy ny marary mitsika rehetra ary ny maloto tamim-paty rehetra hiala amin’ny toby.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

mba handidy ny Israelita hoe: –Aoka havoaka hiala ny toby avokoa izay rehetra marary hoditra, na voan’ny angatra, na maloto nikasi-paty!

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

mba handidy ny Israelita hoe: –Aoka havoaka hiala ny toby avokoa izay rehetra marary hoditra, na voan’ny angatra, na maloto nikasi-paty!

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Mandidia ny Zanak’Isiraely hamoaka ny boka rehetra sy ny marary mitsika rehetra ary ny maloto amim-paty rehetra hiala amin’ny toby;

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Mandidia ny Zanak'Isiraely hamoaka ny boka rehetra sy ny marary mitsika rehetra ary ny maloto amim-paty rehetra hiala amin'ny toby;

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Mandidia ny Zanak’Israely hamoaka ny boka rehetra sy ny marary mitsika rehetra ary ny maloto tamim-paty rehetra hiala amin’ny toby.

Jereo ny toko



Nomery 5:2
15 Rohy Ifampitohizana  

Teo anoloan’ny vavahady nisy boka efa-dahy nifampilaza hoe: «Ahoana moa izao no ijanonantsika eto mandra-pahafatintsika?


Izay boka ferena dia hanao fitafiana norovitina, ny volony harakarakany, ny volombavany hosaronany, ary izy hiantsoantso hoe: Maloto e! Maloto e!


Ho maloto izy mandritra ny andro rehetra haharetan’ny feriny. Maloto izy ka hitokana irery, any ivelan’ny toby.


ka hozahan’ny mpisorona; ary raha nanitatra eo amin’ny hoditra ny anakandro dia holazain’ny mpisorona hoe maloto izy; fa habokana izany.»


Izay midio hanasa ny fitafiany, hanaratra ny volon-kodiny rehetra ary handro amin’ny rano, dia hadio izy, ka hahazo miditra an-toby, nefa mbola hijanona eo ivelan’ny lainy hafitoana.


Ary hoy i Iaveh tamin’i Môizy: Mitenena amin’ny mpisorona zanak’i Aarôna ka lazao azy ireo hoe: «Aza misy mandoto tena raha misy maty eo amin’ny fireneny,


Hofongorana amin’ny fireneny ny olona rehetra tsy nampijaly tena amin’izany andro izany;


Ny rahona niala teo ambonin’ny trano lay. Ary indro Maria tonga boka, mova tsy ny oram-panala. Nitodika an’i Maria i Aarôna, dia indro fa boka izy.


Ary hoy i Iaveh tamin’i Môizy: «Raha nororan-drainy ny tavany, moa tsy ho menatra hafitoana va izy? Mitokàna any ivelan’ny toby izy hafitoana, fa rehefa afaka izany vao horaisina ao indray.»


Ary ianareo dia mitobia any ivelan’ny toby mandritra ny hafitoana, ka izay rehetra nahafaty olona, na nikasika faty, dia samia mandio tena, amin’ny andro fahatelo sy amin’ny andro fahafito, na ianareo na ny sambotrareo.


Ary niteny tamin’i Môizy i Iaveh ka nanao hoe: