Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Nomery 36:9 - Baiboly Katolika

Tsy hisy lova hifindra maso any amin’ny foko hafa, fa ny fokon’i Israely rehetra samy hipetraka amin’ny lovany avy.»

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Aoka tsy hisy hifindra foko ny zaratany samihafa, fa samy hifikitra eo amin’ny azy avy ny Zanak’Israely.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

ary tsy hisy zara tany hifindra foko, fa samy ho eo amin’ny zara taniny avy no hifikiran’ny foko israelita.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

ary tsy hisy zara tany hifindra foko, fa samy ho eo amin’ny zara taniny avy no hifikiran’ny foko israelita.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary aoka tsy hisy hifindra maso ny zara-tanin’ny firenena samy hafa, fa samy ho eo amin’ny azy avy no hipetrahan’ny Zanak’Isiraely.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary aoka tsy hisy hifindra maso ny zara-tanin'ny firenena samy hafa, fa samy ho eo amin'ny azy avy no hipetrahan'ny Zanak'Isiraely.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Aoka tsy hisy hifindra foko ny zaratany samihafa, fa samy hifikitra eo amin’ny azy avy ny Zanak’Israely.

Jereo ny toko



Nomery 36:9
6 Rohy Ifampitohizana  

Fa hoy i Nabôta namaly an’i Akaba: «Hampanalavirin’i Iaveh ahy anie ny hanome ny lova avy amin’ny razako!»


Dia nanao araka izay nandidian’i Iaveh an’i Môizy ny zanaka vavin’i Salfaada.


dia tsy hifindra maso ny lovan’ny zanak’i Israely, fa samy ho eo amin’ny lovan’ny fokon-drainy avy no hipetrahan’ny zanak’i Israely.


Ka ny zazavavy rehetra manana lova eo amin’ny fokon’ny zanak’i Israely, dia samy hanambady ny anankiray amin’ny fianakavian’ny fokon-drainy avy, mba samy hahatana ny lovan-drazany avy ny zanak’i Israely rehetra.


Dia nampodin’i Jôsoe ny vahoaka samy ho any amin’ny lovany avy.


Ho sitraky ny mpanjaka tompoko anie ankehitriny ny hihaino ny tenin’ny mpanompony: Raha i Iaveh no nanesika anao hamely ahy, aoka hankasitrahiny ny hanitry ny fanatitra anankiray; fa raha olombelona kosa, aoka ho voaozona eo anatrehan’i Iaveh izy, satria efa nandroaka ahy izy izao, mba hanesotra amiko ny anjara-toerako amin’ny lovan’i Iaveh, nanao hoe: Mandehana manompo andriamani-kafa.