Hitsangana eo amoron’izany ranomasina izany ny mpaka hazandrano; hovelarana harato ny hatrany Engadi, ka hatrany Engalima; hisy hazandrano isan-karazany maro dia maro toy ny any amin’ny ranomasina lehibe.
Nomery 34:6 - Baiboly Katolika Ny faritra andrefana kosa, dia ny ranomasina Lehibe no ho faritrareo; io no hamaritra anareo amin’ny andrefana. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ny amin’ny sisintany andrefana dia indro ny Ranomasina Lehibe sy ny morony, koa hatreo no ho sisintaninareo andrefana. DIEM PROTESTANTA «Any andrefana dia ny Ranomasina Mediteranea no mamaritra ny taninareo. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara «Any andrefana dia ny Ranomasina Mediteranea no mamaritra ny taninareo. Baiboly Protestanta Malagasy Ary ny amin’ny fari-tany andrefana, dia indro ny Ranomasina Lehibe sy ny amorony, ka hatreo no ho fari-taninareo andrefana. Malagasy Bible Ary ny amin'ny fari-tany andrefana, dia indro ny Ranomasina Lehibe sy ny amorony, ka hatreo no ho fari-taninareo andrefana. La Bible en Malgache Ny amin’ny sisintany andrefana dia indro ny Ranomasina Lehibe sy ny morony, koa hatreo no ho sisintaninareo andrefana. |
Hitsangana eo amoron’izany ranomasina izany ny mpaka hazandrano; hovelarana harato ny hatrany Engadi, ka hatrany Engalima; hisy hazandrano isan-karazany maro dia maro toy ny any amin’ny ranomasina lehibe.
Izao no ho faritry ny tany: Ny avaratra, hatreo amin’ny ranomasina lehibe amin’ny lalan’i Hetalôna mankany Sedada.
Ny lafiny andrefana dia ho ny ranomasina lehibe hatramin’io sisin-tany io, ka hatramin’ny hadilan-tanin’ny Hamata. Izany no lafiny andrefana.
ary hatreo Asemôna, dia mipaka hatrany amin’ny riakan’i Ejipta, sy mihatra amin’ny ranomasina.
Izao no sisin-taninareo amin’ny avaratra. Avy ao amin’ny ranomasina Lehibe, dia hofaritanareo mihazo any an-tendrombohitra Hôra;
Ary nasehon’i Iaveh azy avokoa ny tany rehetra dia i Galaada hatrany Dana; i Neftalì rehetra mbamin’ny tanin’i Efraima sy i Manase, ny tanin’i Jodà rehetra, hatramin’ny ranomasina andrefana;
Hatramin’ny efitra sy hatramin’io Libàna io ka hatramin’ny ony lehibe, dia ny ony Eofrata, dia ny tanin’ny Heteanina rehetra, ary hatramin’ny ranomasina lehibe any amin’ny fisitrihan’ny masoandro, no ho faritaninareo.
Ny faritry ny tany nipaka amin’ny kisolosolo avaratr’i Akarôna, ary nizotra ny faritry ny tany mankany Sekrôna, nihazo amin’ny tendrombohitra Baala ary nipaka amin’i Jebneela ary nihatra amin’ny ranomasina.
Ary ny faritry ny tany andrefana dia ny ranomasina lehibe sy ny taniny. Izany no faritry ny tanin’ny taranak’i Jodà, araka ny fianakaviany, amin’ny lafiny rehetra.
i Azota sy ny tanàna momba azy ary ny zana-bohiny; i Gazà sy ny tanàna momba azy, mbamin’ny zana-bohiny, hatramin’ny ranon-driakan’i Ejipta, sy hatramin’ny Ranomasina Lehibe izay fariny.
Indro efa nozaraiko taminareo mba ho lova ho an’ny fokonareo, tamin’ny filokana, ireo firenena izay mbola eo ihany sy ireo rehetra efa nofongorako hatrany Jordany ka hatrany amin’ny ranomasin-dehibe any andrefana any.
Nony nandre izany ny mpanjaka rehetra atỳ an-dafin’i Jordany, na ny eny amin’ny tendrombohitra na ny eny amin’ny tany lemaka na ny amoron-tsiraky ny ranomasina lehibe, tandrifin’i Libàna, ny Amôreana, ny Kananeanina, ny Ferezeanina, ny Heveanina, ary ny Jeboseanina,