Tamin’izany andro izany nanao fanekena tamin’i Abrama i Iaveh nanao hoe: «Omeko ny taranakao ity tany ity hatrany amin’ny onin’i Ejipta ka hatrany amin’ny ony lehibe, dia i Eofrata izany;
Nomery 34:5 - Baiboly Katolika ary hatreo Asemôna, dia mipaka hatrany amin’ny riakan’i Ejipta, sy mihatra amin’ny ranomasina. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 ary miolaka hatreo Azmona ka hatrany amin’ny lohasahan-driakan’i Ejipta, ary mipaka hatrany amin’ny ranomasina. DIEM PROTESTANTA avy eo Hatsemôna, dia miolaka any amin’ny lohasahan-driakan’i Ejipta ary miafara amin’ny Ranomasina Mediteranea. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara avy eo Hatsemôna, dia miolaka any amin’ny lohasahan-driakan’i Ejipta ary miafara amin’ny Ranomasina Mediteranea. Baiboly Protestanta Malagasy ary miolaka hatrany Azmona ka hatramin’ny lohasahan-driak’i Egypta, ka dia mihatra amin’ny ranomasina. Malagasy Bible ary miolaka hatrany Azmona ka hatramin'ny lohasahan-driak'i Egypta, ka dia mihatra amin'ny ranomasina. La Bible en Malgache ary miolaka hatreo Azmona ka hatrany amin’ny lohasahan-driakan’i Ejipta, ary mipaka hatrany amin’ny ranomasina. |
Tamin’izany andro izany nanao fanekena tamin’i Abrama i Iaveh nanao hoe: «Omeko ny taranakao ity tany ity hatrany amin’ny onin’i Ejipta ka hatrany amin’ny ony lehibe, dia i Eofrata izany;
Tamin’izany andro izany, i Salômôna sy i Israely rehetra niaraka taminy, dia olona zavon-tany avy hatrany amin’ny vava lalan’i Emata, ka hatrany amin’ny ranon-driakan’i Ejipta, dia nankalaza ny fety teo anatrehan’i Iaveh Andriamanitsika nandritra ny fito andro, ary fito andro koa indray, dia 14 andro.
Amin’izany andro izany dia hisy zavatra toy izao: hahintsan’i Iaveh ny vary hatramin’ny masondranon’ny Ony, ka hatramin’ny lohasahan-driakan’i Ejipta, dia hotazana tsirairay ianareo, ry zanak’i Israely.
Ny lafiny atsimo handroso mianatsimo hatrany Tamara ka hatrany amin’ny ranon’i Meribà any Kadesa, dia ny lohasahan-driaka mivarina mankany amin’ny ranomasina lehibe. Izany no lafiny atsimo mankany amin’ny Negeba.
avy eo dia nahazo an’i Asmôna, nitohy hatramin’ny ranon-driakan’i Ejipta, dia nihatra hatrany amin’ny ranomasina ny faritry ny taniny. Izany no ho faritry ny taninareo any atsimo.
i Azota sy ny tanàna momba azy ary ny zana-bohiny; i Gazà sy ny tanàna momba azy, mbamin’ny zana-bohiny, hatramin’ny ranon-driakan’i Ejipta, sy hatramin’ny Ranomasina Lehibe izay fariny.