Dia nanopy ny masony i Lôta ka nahita ny tany lemak’i Jordany rehetra, izay azon-drano hatrany hatrany; io tany io, talohan’ny nandravan’i Iaveh an’i Sôdôma sy i Gômôra, dia tahaka ny sahan’i Iaveh, tahaka ny tany Ejipta akaikin’i Tsôara.
Nomery 34:12 - Baiboly Katolika ary midina ny faritra manaraka ny moron’i Jordany ka tafapaka hatramin’ny Ranomasin-tSira. Izany no ho taninareo araka ny faritra manodidina azy. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 ary hidina indray hatrany Jordana ny sisintany ka hipaka amin’ny Ranomasintsira. Izany no ho taninareo araka ny sisintaniny manodidina. DIEM PROTESTANTA ka hitsontsorika hatrany Jôrdàna ary hiafara any amin’ny Ranomasina Maty. «Izany no taninareo araka ny sisin-tany manodidina azy.» Dikateny Iombonana Eto Madagasikara ka hitsontsorika hatrany Jôrdàna ary hiafara any amin’ny Ranomasina Maty. «Izany no taninareo araka ny sisin-tany manodidina azy.» Baiboly Protestanta Malagasy dia hidina ihany indray hatrany Jordana, ka dia hihatra amin’ny Ranomasin-tsira. Izany no ho taninareo araka ny fari-taniny manodidina. Malagasy Bible dia hidina ihany indray hatrany Jordana, ka dia hihatra amin'ny Ranomasin-tsira. Izany no ho taninareo araka ny fari-taniny manodidina. La Bible en Malgache ary hidina indray hatrany Jordana ny sisintany ka hipaka amin’ny Ranomasintsira. Izany no ho taninareo araka ny sisintaniny manodidina. |
Dia nanopy ny masony i Lôta ka nahita ny tany lemak’i Jordany rehetra, izay azon-drano hatrany hatrany; io tany io, talohan’ny nandravan’i Iaveh an’i Sôdôma sy i Gômôra, dia tahaka ny sahan’i Iaveh, tahaka ny tany Ejipta akaikin’i Tsôara.
Izao no hataoko faritaninao: hatramin’ny Ranomasina Mena ka hatramin’ny ranomasin’ny Filistinina, ary hatramin’ny efitra ka hatramin’ny ony, satria hatolotro eo an-tananao ny mponina amin’ny tany ka horoahinao hiala eo anoloanao.
Izao no lazain’ny Tompo Iaveh: Lohasaha iray no ho faritry ny tany horaisinareo ho zarataninareo araka ny foko 12 amin’i Israely; anjaran-droa no ho an’i Josefa.
ary ny faritra dia midina avy eo Sefama mankany Reblà, atsinanan’i Aïna; dia mbola midina mitohy manaraka ny havoana eo an-tsisin’ny ranomasina Kenereta any atsinanana,
Izao no nandidian’i Môizy ny zanak’i Israely nataony hoe: Izany no tany hozarainareo amin’ny filokana sy nodidian’i Iaveh homena ny foko sivy sy ny antsasa-poko.
Ny lafiny atsimo amin’ny taninareo dia ny efitra Sina, hatrany Edôma, ka ny faritrareo atsimo dia hatramin’ny faran’ny Ranomasin-tSira any atsinanana,
Efa antitra sy efa nandroso fahanterana i Jôsoe: ka hoy i Iaveh taminy: «Ianao ity efa antitra, efa mandroso fahanterana nefa ny tany lehibe dia lehibe no mbola sisa halaina.»
Ary ny Ranomasin-tSira hatramin’ny vavaranon’i Jordany no faritry ny tany atsinanana. Ny faritry ny tany avaratra dia hatreo amin’ny helo-dRanomasin-tSira, amin’ny vavaranon’i Jordany,