Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Nomery 32:39 - Baiboly Katolika

Ny zanak’i Makira zanak’i Manase, nananika an’i Galaada, dia nahafaka azy, sy nandroaka ny Amôreana izay nonina tao.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Ny taranak’i Makira, zanak’i Manase, dia nankany Gileada ka naharesy azy, dia nandroaka ny Amorita izay nonina teo.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Ny taranak’i Makira, zanakalahin’i Manase, dia nankany Gilehada ka nahazo azy ary nandroaka ny Amôrita izay nipetraka tao.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Ny taranak’i Makira, zanakalahin’i Manase, dia nankany Gilehada ka nahazo azy ary nandroaka ny Amôrita izay nipetraka tao.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary ny taranak’i Makira, zanak’i Manase, nankany Gileada ka nahafaka azy, dia nandroaka ny Amorita izay nonina teo.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary ny taranak'i Makira, zanak'i Manase, nankany Gileada ka nahafaka azy, dia nandroaka ny Amorita izay nonina teo.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Ny taranak’i Makira, zanak’i Manase, dia nankany Gileada ka naharesy azy, dia nandroaka ny Amorita izay nonina teo.

Jereo ny toko



Nomery 32:39
7 Rohy Ifampitohizana  

Nahita ny terak’i Efraima hatramin’ny taranaka fahatelo izy. Ary nisy koa zanak’i Makira zanak’i Manase izay teraka ka noraisin’i Josefa teo am-pofoany.


Dia tonga tany Galaada sy any amin’ny tanin’i Taktima-Hodsì, izy; raha efa izany dia nankany Dana-Jaana, mbamin’ny manodidina an’i Sidona.


Zanak’i Manase: ny fokon’ny Makirita avy tamin’i Makira, ary i Makira niteraka an’i Galaada, ny fokon’ny Galaadita avy tamin’i Galaada.


Nomeko an’i Makira i Galaada.


Mbola nisy zara tany koa ho an’ny fokon’i Manase araka ny filokana noho izy lahimatoan’i Josefa. I Makira lahimatoan’i Manase sy rain’i Galaada dia nahazo an’i Galaada sy i Basana, satria lehilahy mpiantafika izy.


Nampahorin’ireo sy notorotoroin’ireo tamin’izany taona izany ny zanak’i Israely; ary nampahoriny valo ambin’ny folo taona ny zanak’i Israely rehetra, izay nonina tany andafin’i Jordany amin’ny tanin’ny Amôreana, any Galaada.


Avy any amin’i Efraima ny olona izay mandatsa-paka amin’i Amaleka; nikambana tamin’ny antokonao i Benjamina teo aorianao; avy any amin’i Makira nisy lehibe nidina, avy any amin’i Zabolôna nisy mpitondra nitana ny tehin’ny mpanoratra.