Ka dia nianiana tamin’ny fahatezerako aho, nanao hoe: «Tsy hiditra amin’ny fitsaharako izy.»
Nomery 32:10 - Baiboly Katolika Ary nirehitra ny fahatezeran’i Iaveh tamin’izay andro izay, ka nianiana Izy nanao hoe: Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Nirehitra ny fahatezeran’NY TOMPO tamin’izay andro izay ka nianiana Izy hoe: DIEM PROTESTANTA Nirehi-pahatezerana ny TOMPO tamin’izay andro izay, ka nianiana nanao hoe: Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Nirehi-pahatezerana ny TOMPO tamin’izay andro izay, ka nianiana nanao hoe: Baiboly Protestanta Malagasy Ary nirehitra ny fahatezeran’i Jehovah tamin’izay andro izay, dia nianiana Izy ka nanao hoe: Malagasy Bible Ary nirehitra ny fahatezeran'i Jehovah tamin'izay andro izay, dia nianiana Izy ka nanao hoe: La Bible en Malgache Nirehitra ny fahatezeran’NY TOMPO tamin’izay andro izay ka nianiana Izy hoe: |
Ka dia nianiana tamin’ny fahatezerako aho, nanao hoe: «Tsy hiditra amin’ny fitsaharako izy.»
Efa nanainga ny tanako hamely azy Aho tany an’efitra, nianiana tamin’izy ireo fa tsy hampiditra azy any amin’ny tany tondra-dronono aman-tantely efa natolotro azy, - sady tsara indrindra amin’ny tany rehetra, -
Ary hoy i Iaveh tamin’i Môizy: «Mandra-pahoviana no haniratsiràn’ity vahoaka ity Ahy? Ary mandra-pahoviana no tsy hinoany Ahy, na dia eo aza ny fahagagana rehetra nataoko teo afovoany?
dia tsy hahita mihitsy ny tany nampanantenaiko ny razany tamim-pianianana. Tsy misy hahita izany ireo naniratsira Ahy ireo.
Hiampatrampatra amin’ity efitra ity ny fatinareo. Ianareo rehetra izay efa nanaovana fanisana ka voaisa, ny efa roapolo taona no ho miakatra, izay efa nimonomonona tamiko,