Ary hoy Izy tamin-dravehivavy: «Hampitomboiko ny fijalianao, indrindra raha bevohoka ianao; fijaliana no hiterahanao zanaka; hankamin’ny vadinao ny fanirianao ary izy hizaka anao.»
Nomery 30:8 - Baiboly Katolika ary ren’ny lahy izany, nefa tsy miteniteny aminy momba izany izy: amin’ny andro andrenesany an’izany, dia manan-kery ny voadiny sy ny famehezan-tena namehezany ny tenany. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 raha nandre izany ny lahy, nefa tsy niteny azy tamin’ny andro nandrenesany, dia manan-kery ny voadiny sy izay namehezany ny tenany. DIEM PROTESTANTA Raha rem-badiny izany nefa tsy notoheriny, dia manan-kery ny voady amam-pianianana rehetra nataony. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Raha rem-badiny izany nefa tsy notoheriny, dia manan-kery ny voady amam-pianianana rehetra nataony. Baiboly Protestanta Malagasy ka nandre izany ny lahy, nefa tsy niteny azy tamin’ny andro nandrenesany, dia tsy afaka ny voadiny sy izay famehezana namehezany ny fanahiny. Malagasy Bible ka nandre izany ny lahy, nefa tsy niteny azy tamin'ny andro nandrenesany, dia tsy afaka ny voadiny sy izay famehezana namehezany ny fanahiny. La Bible en Malgache raha nandre izany ny lahy, nefa tsy niteny azy tamin’ny andro nandrenesany, dia manan-kery ny voadiny sy izay namehezany ny tenany. |
Ary hoy Izy tamin-dravehivavy: «Hampitomboiko ny fijalianao, indrindra raha bevohoka ianao; fijaliana no hiterahanao zanaka; hankamin’ny vadinao ny fanirianao ary izy hizaka anao.»
Ary raha nanatitra emboka manitra sy nandraraka fanatitra araraka ho an’ny Mpanjaka vavin’ny lanitra izahay, moa takona ny vadinay va ny nanaovanay mofomamy manambara azy, sy nandrarahanay fanatitra araraka ho azy?»
Raha misy olona latsa-bava, mianiana hanao soa na ratsy, na inona na inona voalazany amim-pianianana tsy voahevitra, nefa tsy nahafantatra izany izy, fa atỳ aoriana vao fantany, dia mahazo fahotana izy amin’ny iray amin’ireo zavatra ireo.
ary ren-drainy ny voady amam-pamehezan-tena nataony, nefa tsy niteniteny taminy ny rainy, dia ho raikitra ny voady rehetra nataony sy ny famehezan-tena namehezany ny tenany.
Ary raha hampakarina izy ka efa voasingotry ny voadiny na ny teny tsy voahevitra naloaky ny vavany izay namehezany ny tenany,
Fa raha lavin’ny lahy kosa ny nataon-dravehivavy amin’ny andro nandrenesany an’izany, dia foana ny voady maningotra azy sy ny teny tsy voahevitra naloaky ny vavany namehezany ny tenany, ary i Iaveh hamela azy.
Araka ny fanao amin’ny Eglizin’ny olona masina rehetra, dia aoka hangina ny vehivavy ao am-piangonana; fa tsy tandrify azy ny miteny ao, ka dia aoka hanoa izy, sady araka ny voalazan’ny Lalàna koa izany.
Ny vavy tsy manam-pahefana amin’ny tenany, fa ny lahy; toraka izany koa, ny lahy tsy manam-pahefana amin’ny tenany, fa ny vavy.
Ary hoy i Elkanà vadiny taminy: «Ataovy izay heverinao ho mety; mijanòna atỳ aloha, mandra-panotinao azy, ary hoefain’i Iaveh anie ny teniny.» Dia nijanona ravehivavy, ka nampinono ny zanany mandra-panotiny azy.