Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Jeremia 44:19 - Baiboly Katolika

19 Ary raha nanatitra emboka manitra sy nandraraka fanatitra araraka ho an’ny Mpanjaka vavin’ny lanitra izahay, moa takona ny vadinay va ny nanaovanay mofomamy manambara azy, sy nandrarahanay fanatitra araraka ho azy?»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

19 Ary raha nandoro ditin-kazo manitra ho an’ny mpanjakavavin’ny lanitra izahay sy nanidina fanatitra aidina ho azy dia moa tsy fantatry ny vadinay va ny nanaovanay mofo hasiana ny sariny sy ny nanidinanay fanatitra aidina ho azy?

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

19 Dia nanampy koa ireo vehivavy ka nanao hoe: –Ary raha nanolotra zava-manitra mifangaro ho an’i Hastôreta mpanjakavavin’ny lanitra izahay, moa tsy neken’ny vadinay ve izany? Fantany tsara fa manao mofo maneho ny sariny izahay sady manolotra fanatitra divay ho azy.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

19 Dia nanampy koa ireo vehivavy ka nanao hoe: –Ary raha nanolotra zava-manitra mifangaro ho an’i Hastôreta mpanjakavavin’ny lanitra izahay, moa tsy neken’ny vadinay ve izany? Fantany tsara fa manao mofo maneho ny sariny izahay sady manolotra fanatitra divay ho azy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

19 Ary raha nandoro ditin-kazo manitra ho an’ny mpanjakavavin’ny lanitra izahay sy nanidina fanatitra aidina ho azy, moa tsy fantatry ny vadinay va ny nanaovanay mofo hasiana ny sariny sy ny nanidinanay fanatitra aidina ho azy?

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

19 Ary raha nandoro ditin-kazo manitra ho an'ny mpanjakavavin'ny lanitra izahay sy nanidina fanatitra aidina ho azy, moa tsy fantatry ny vadinay va ny nanaovanay mofo hasiana ny sariny sy ny nanidinanay fanatitra aidina ho azy?

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

19 Ary raha nandoro ditin-kazo manitra ho an’ny mpanjakavavin’ny lanitra izahay sy nanidina fanatitra aidina ho azy dia moa tsy fantatry ny vadinay va ny nanaovanay mofo hasiana ny sariny sy ny nanidinanay fanatitra aidina ho azy?

Jereo ny toko dika mitovy




Jeremia 44:19
14 Rohy Ifampitohizana  

Ary hitan-dravehivavy fa ny voan’ilay hazo dia fihinana, mahatehijery sy mendrika hoirîna mba hahazoana fahiratan-tsaina; nioty tamin’ny voany izy, dia nihinana ary nomeny koa ny vadiny izay niaraka taminy, ary nihinana izy.


Fa tena tsy nisy nivaro-tena toa an’i Akaba hanao izay ratsy eo imason’i Iaveh, satria i Jezabela vadiny no namporisika azy.


Nandeha tamin’ny lalan’ny mpanjakan’i Israely izy, tahaka ny nataon’ny taranak’i Akaba, fa zanak’i Akaba no vadiny, ka nanao izay ratsy eo imason’i Iaveh.


Eny tokoa tsy ho afa-tsazy ny ratsy fanahy, ary ny taranaky ny marina ho voavonjy.


Tamin’izay namaly an’i Jeremia ny lehilahy rehetra, nahalala fa efa nanatitra emboka manitra tamin’ireo andriamani-kafa, ny vadiny sy ny vehivavy rehetra tafavory teo amin’ny fivoriam-be ary ny vahoaka rehetra nitoetra tany amin’ny tany Ejipta tao Fatoresa, ka nanao hoe:


Dia niteny tamin’ny vahoaka rehetra i Jeremia, namelively ny lehilahy sy ny vehivavy sy ireo namaly azy toy izany, ka nanao taminy hoe:


Ny zanaka manangon-kitay; ny ray mandrehitra afo; ny vehivavy mametafeta koba, hanaovana mofo ho an’ny mpanjaka vavin’ny lanitra, sy hanidina fanatitra araraka ho an’andriamani-kafa, mba haniratsirana Ahy.


ary raha avy izay handrenesan’ny lahy izany, ka tsy miteniteny aminy izy, ary tsy laviny ny nataony, dia manan-kery ny voadiny sy ny famehezan-tena namehezany ny tenany.


ary ren’ny lahy izany, nefa tsy miteniteny aminy momba izany izy: amin’ny andro andrenesany an’izany, dia manan-kery ny voadiny sy ny famehezan-tena namehezany ny tenany.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra