Hoy i Davida tamin’izay: «Tsy misy afa-tsy ny Levita ihany no hitondra ny Fiaran’Andriamanitra satria ireo no voafidin’i Iaveh hitondra ny fiaran’Andriamanitra sy hanao ny fanompoana momba azy mandrakizay.»
Nomery 3:9 - Baiboly Katolika hatolotrao ny Levita ho an’i Aarôna sy ny zanakalahiny: dia ho voatolotra mihitsy ho azy izy ireo eo amin’ny zanak’i Israely. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Homenao an’i Arona sy ireo zanany lahy ny levita, fa efa nomena azy mihitsy avy amin’ny Zanak’Israely ireo. DIEM PROTESTANTA Koa homenao an’i Aharôna sy ny zanany ny Levita; eny, homenao azy marina tokoa avy amin’ny Israelita ireo. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Koa homenao an’i Aharôna sy ny zanany ny Levita; eny, homenao azy marina tokoa avy amin’ny Israelita ireo. Baiboly Protestanta Malagasy Ary homenao an’i Arona sy ny zanani-lahy ny Levita; efa nomena azy mihitsy avy amin’ny Zanak’Isiraely ireo. Malagasy Bible Ary homenao an'i Arona sy ny zananilahy ny Levita; efa nomena azy mihitsy avy amin'ny Zanak'Isiraely ireo. La Bible en Malgache Homenao an’i Arona sy ireo zanany lahy ny levita*, fa efa nomena azy mihitsy avy amin’ny Zanak’Israely ireo. |
Hoy i Davida tamin’izay: «Tsy misy afa-tsy ny Levita ihany no hitondra ny Fiaran’Andriamanitra satria ireo no voafidin’i Iaveh hitondra ny fiaran’Andriamanitra sy hanao ny fanompoana momba azy mandrakizay.»
Ny Levita rahalahin’izy ireo, dia niandraikitra ny fanompoana rehetra amin’ny tabernakla ao an-tranon’i Iaveh.
Dia notendreny ny mpisorona, araka ny antokony avy, sy ny Levita araka ny fizarany avy, hanao ny fanompoana an’ilay Andriamanitra izay ao Jerosalema, araka ny voasoratra ao amin’ny bokin’i Môizy.
ary ny avy amin’ny Natineanina izay nomen’i Davida sy ny loholona hanompo ny Levita, Natineanina 220 samy voatendry amin’ny anarany.
Ataonareo ho zavatra kely va ny nanavahan’ny Andriamanitr’i Israely anareo tamin’ny fiangonan’i Israely, ka nampandrosoany anareo ho akaiky Azy, mba hanao ny fanompoana momba ny Fonenan’i Iaveh sy hitoetra eo anatrehan’ny fiangonana hanao ny fanompoany.
Ento manatona miaraka aminao koa ny rahalahinao, ny fokon’i Levỳ, ny fokon-drainao, ho mpanampy anao, hanompoany anao, rehefa mby anoloan’ny trano lain’ny vavolombelona ianao sy ny zanakao miaraka aminao.
Izy ireo no hiadidy ny fanaka rehetra ao amin’ny trano lay fihaonana, sy izay rehetra tsy maintsy hiandraiketan’ny zanak’i Israely; izany no hanatanterahany ny fanompoana momba ny Fonenana;
Fa efa nomena Ahy mihitsy izy eo afovoan’ny zanak’i Israely; nalaiko ho Ahy, ho solon’ny lahy rehetra voalohan-teraky ny reniny izy,
dia natolotro mba ho an’i Aarôna sy ny zanany mihitsy ny Levita eo amin’ny zanak’i Israely mba hanao ny fanompoan’ny zanak’i Israely ao amin’ny trano lay fihaonana, mba hanao ny fanonerana ho an’ny zanak’i Israely, mba tsy ho voan’ny loza na inona na inona ny zanak’i Israely, rehefa hanakaiky ny fitoerana masina.»
Dia Izy no nanome ny sasany ho Apôstôly, ny sasany ho mpaminany, ny sasany ho evanjelista, ary ny sasany ho mpiandry sy mpampianatra,
Izany no anaovan’ny Soratra Masina hoe: Niakatra any ambony Izy, nitondra olona maro ho babo, ary nanome fanomezana maro ho an’ny olona.