Nomery 3:30 - Baiboly Katolika Ny filohan’ny foko iavian’ireo fianakavian’ny Kaatita, dia Elisafàna zanak’i Oziela. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ny lohan’ny fianakavian’ny Kehatita dia i Elizafana, zanak’i Oziela. DIEM PROTESTANTA I Elisafàna zanakalahin’i Hoziela no filoham-pianakaviamben’ny Kehatita. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara I Elisafàna zanakalahin’i Hoziela no filoham-pianakaviamben’ny Kehatita. Baiboly Protestanta Malagasy Ary ny lohan’ny fianakaviana amin’ny fokon’ny Kehatita dia Elisafana, zanak’i Oziela. Malagasy Bible Ary ny lohan'ny fianakaviana amin'ny fokon'ny Kehatita dia Elisafana, zanak'i Oziela. La Bible en Malgache Ny lohan’ny fianakavian’ny Kehatita dia i Elizafana, zanak’i Oziela. |
Ary i Môizy niantso an’i Misaely sy Elisafôna, zanak’i Oziela, rahalahin-drain’i Aarôna, nilaza tamin’ireo hoe: «Manatòna ianareo ka ento ny rahalahinareo hanalavitra ny fitoerana masina any ivelan’ny toby.»
Ny avy amin’i Kaata dia ny fokon’ny Amramita, ny fokon’ny Jesaarita, ny fokon’ny Hebrônita, ary ny fokon’ny Azielita: ireo no fokon’ny Kaatita.
Eo amin’ny lafiny atsimo amin’ny Fonenana no nitobian’ny fokon’ny zanaka lahin’i Kaata.
Ary ny anjara raharahany dia fiambenana ny fiara, ny latabatra, ny fanaovan-jiro, ny ôtely, ny fanaky ny fitoerana masina, izay fanaovana fanompoana, ny varavarana lamba mbamin’ny fanaovan-draharaha rehetra momba azy.
Rehefa vitan’i Aarôna sy ny zanany ny fanaronana ny fitoerana masina mbamin’ny fanaka rehetra momba azy, ka hifindra lasy, dia ho avy ny taranak’i Kaata hitondra azy; tsy hikasika ny zavatra masina anefa izy ireo, fandrao maty. Izany zavatra momba ny trano lay fihaonana izany, no ho anjara entan’ny taranak’i Kaata.
Izao no raharaha hataon’ny taranak’i Kaata ao amin’ny trano lay fihaonana: hitondra ny fanaka masina indrindra izy.