Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Nomery 3:25 - Baiboly Katolika

Ny amin’ny trano lay fihaonana dia izao no niadidian’ny zanak’i Gersôna: ny Fonenana sy ny trano lay, ny rakony, ny varavarana lamba izay ao amin’ny fidiran’ny trano lay fihaonana;

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Ny anjara raharahan’ireo zanak’i Gersona eo amin’ny tranolay fihaonana dia ny tabernakely, ny lay, ny rakotra eo aminy, ny varavarana lamba amin’ny varavaran’ny tranolay fihaonana,

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Niandraikitra ny amin’ny Tranolay fihaonana no raharahan’i Gersônita; dia ny Fonena-masina, ny lay, ny firakony, ny lambam-baravaran’ny Tranolay fihaonana,

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Niandraikitra ny amin’ny Tranolay fihaonana no raharahan’i Gersônita; dia ny Fonena-masina, ny lay, ny firakony, ny lambam-baravaran’ny Tranolay fihaonana,

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary ny anjara-raharahan’ny zanak’i Gersona eo amin’ny trano-lay fihaonana dia ny tabernakely sy ny lay sy ny firakony sy ny varavarana lamba amin’ny varavaran’ny trano-lay fihaonana,

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary ny anjara-raharahan'ny zanak'i Gersona eo amin'ny trano-lay fihaonana dia ny tabernakely sy ny lay sy ny firakony sy ny varavarana lamba amin'ny varavaran'ny trano-lay fihaonana,

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Ny anjara raharahan’ireo zanak’i Gersona eo amin’ny tranolay fihaonana dia ny tabernakely, ny lay, ny rakotra eo aminy, ny varavarana lamba amin’ny varavaran’ny tranolay fihaonana*,

Jereo ny toko



Nomery 3:25
23 Rohy Ifampitohizana  

Azy ireo ny mikarakara ny fitandremana ny trano lay fihaonana, ny fitandremana ny zavatra masina, ny fitandremana ireo taranak’i Aarôna, rahalahiny, amin’ny momba ny fanompoana ao an-tranon’i Iaveh.


Naorin’i Ezekiasa ny fizarazaràn’ny mpisorona sy ny Levita, araka ny antokony avy, - ny mpisorona sy ny Levita, samy araka ny raharahany avy, - hanaovana ny sorona dorana, ny sorom-pihavanana, ny fanompoam-pivavahana, ny hira amam-piderana, eo am-bavahadin’ny tobin’i Iaveh.


Ary harahinareo tsara izay rehetra hasehoko anareo, ny mariky ny tabernakla sy ny mariky ny fanaka rehetra momba azy.»


Novelariny ny lay teo ambonin’ny Fonenana, ary nataony teo ambony ny firakotry ny lay, araka ny nandidian’i Iaveh an’i Môizy.


Nataony teo amin’ny fidirana amin’ny Fonenana ny varavarana lamba.


Fa apetraho aminy kosa ny fikarakarana ny Fonenan’ny vavolombelona mbamin’ny fanaka aman-javatra rehetra momba azy. Izy ireo no hitondra ny Fonenana mbamin’ny fanaka rehetra momba azy; izy no hanao ny fanompoana ao aminy; ary izy no hitoby manodidina ny Fonenana.


Dia nahorona ny Fonenana ka niainga nitondra ny Fonenana ny zanak’i Gersôna sy ny zanak’i Merarỳ.


Ny filohan’ny fianakavian’ny Gersônita dia i Eliefaza zanak’i Laela.


Izy ireo no hiadidy ny zavatra rehetra iandraiketan’i Aarôna, sy iandraiketan’ny fiangonana rehetra, eo anoloan’ny trano lay fihaonana; ka hanatanteraka ny fanompoana momba ny Fonenana.


Sarety roa sy omby efatra no nomeny ny taranak’i Gersôna, araka ny ilainy amin’ny raharahany.


tahaka ny lehilahy iray nandeha hivahiny, ka nandao ny tranony, ary nanome fahefana ny mpanompony sy nanolo-draharaha hataony avy, dia nandidy ny mpiandry varavarana hiambina.


Lazao amin’i Arkipo izao: «Tandremo ny fandraharahana noraisinao tao amin’ny Tompo, mba hahatanterahanao azy tsara.»


Izany àry no didy omeko anao, ry Timote zanako, araka ny faminaniana maro ny aminao taloha, mba ho araka izany ny hiadianao ny ady tsara,