Hanao ny fanatitra koa izy, lafarina iray efah isan’ombalahy sy iray efah isan’ondralahy, ary diloilo iray hina isan’efah.
Nomery 28:12 - Baiboly Katolika ary lafarina tsara indrindra telo ampahafolony, voadity tamin’ny diloilo, hatao fanatitra amin’ny isam-bantotr’ombalahy iray; lafarina tsara indrindra roa ampahafolony, voadity tamin’ny diloilo, hatao fanatitra amin’ny ondralahy; Baiboly Protestanta Malagasy 2011 miampy koba tsara toto telo ampahafolon’ny efaha, voaharo diloilo, ho fanatitra avy amin’ny zavamaniry, ampombaina ny vantotra ombilahy; koba tsara toto roa ampahafolon’ny efaha, voaharo diloilo, ho fanatitra avy amin’ny zavamaniry, ampombaina ny ondrilahy; DIEM PROTESTANTA Ny biby tsirairay dia hampiarahina amin’ny lafarinina tsara toto nofetaina tamin’ny menaka, dia lafarinina sivy kilao isan’ombilahy, lafarinina enina kilao isan’ondrilahy, Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ny biby tsirairay dia hampiarahina amin’ny lafarinina tsara toto nofetaina tamin’ny menaka, dia lafarinina sivy kilao isan’ombilahy, lafarinina enina kilao isan’ondrilahy, Baiboly Protestanta Malagasy ary koba tsara toto telo ampahafolon’ny efaha voaharo diloilo ho fanatitra hohanina amin’ny isam-bantotr’ombilahy iray, ary koba tsara toto roa ampahafolon’ny efaha voaharo diloilo, ho fanatitra hohanina amin’ny isan-ondrilahy iray, Malagasy Bible ary koba tsara toto telo ampahafolon'ny efaha voaharo diloilo ho fanatitra hohanina amin'ny isam-bantotr'ombilahy iray, ary koba tsara toto roa ampahafolon'ny efaha voaharo diloilo, ho fanatitra hohanina amin'ny isan-ondrilahy iray, La Bible en Malgache miampy koba tsara toto telo ampahafolon’ny efaha*, voaharo diloilo, ho fanatitra avy amin’ny zavamaniry, ampombaina ny vantotra ombilahy; koba tsara toto roa ampahafolon’ny efaha, voaharo diloilo, ho fanatitra avy amin’ny zavamaniry, ampombaina ny ondrilahy; |
Hanao ny fanatitra koa izy, lafarina iray efah isan’ombalahy sy iray efah isan’ondralahy, ary diloilo iray hina isan’efah.
Hodoran’ny zanak’i Aarôna izany hanetona eo ambonin’ny ôtely, eo ambonin’ny sorona dorana voapetraka eo ambony kitay hazo eo amin’ny afo. Sorona atao amin’ny afo izany, ho hanitra ankasitrahin’i Iaveh.»
ary lafarina tsara indrindra iray ampahafolony, voadity tamin’ny diloilo, hatao fanatitra amin’ny isan-janak’ondry iray; sorona dorana ho hanitra ankasitrahina izany, dia sorona atao amin’ny afo ho an’i Iaveh.