Nandry feizay i Jodà sy i Israely tamin’ny andro rehetra niainan’i Salômôna. Samy teo ambanin’ny voalobony sy ny aviaviny avy, hatrany Dàna ka hatrany Bersabea.
Nomery 27:16 - Baiboly Katolika «Aoka i Iaveh, ilay Andriamanitry ny fanahin’ny nofo rehetra, hanendry lehilahy anankiray hitondra ny fiangonana. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Aoka NY TOMPO, Andriamanitry ny fanahin’ny nofo rehetra, hanendry lehilahy izay hitandrina ny fiangonana DIEM PROTESTANTA –TOMPO Andriamanitra ô, aoka Ianao mpanome aina ny voaary rehetra no hanendry lehilahy anankiray izay afaka hitondra ny fiangonana Dikateny Iombonana Eto Madagasikara –TOMPO Andriamanitra ô, aoka Ianao mpanome aina ny voaary rehetra no hanendry lehilahy anankiray izay afaka hitondra ny fiangonana Baiboly Protestanta Malagasy Aoka Jehovah, Andriamanitry ny fanahin’ny nofo rehetra, hanendry lehilahy izay hitandrina ny fiangonana Malagasy Bible Aoka Jehovah, Andriamanitry ny fanahin'ny nofo rehetra, hanendry lehilahy izay hitandrina ny fiangonana La Bible en Malgache Aoka NY TOMPO, Andriamanitry ny fanahin’ny nofo rehetra, hanendry lehilahy izay hitandrina ny fiangonana |
Nandry feizay i Jodà sy i Israely tamin’ny andro rehetra niainan’i Salômôna. Samy teo ambanin’ny voalobony sy ny aviaviny avy, hatrany Dàna ka hatrany Bersabea.
dia hanemitra manodidina ny mpanjaka samy hitam-piadiana avy, ka raha misy miditra ny laharana, dia vonoy ho faty, ary ho eo akaikin’ny mpanjaka ianareo na mivoaka izy na miditra.»
dieny mbola tsy miverina amin’ny tany ny vovoka, araka ny toetrany taloha indray, ary ny fanahy kosa hiverina amin’Andriamanitra izay nanome azy.
Dia homeko mpiandry araka ny foko ianareo, izay hamahana anareo amim-pahalalana sy fahendrena.
Dia nianiana mangingina tamin’i Jeremia i Sedesiasa mpanjaka, nanao hoe: «Velona i Iaveh izay nanome antsika ity fiainana ity. Tsy hamono anao aho, na hanolotra anao amin’ireo olona mitady ny ainao ireo.»
Ahy ny fanahy rehetra, na ny fanahin’ny ray, na ny fanahin’ny zanaka, samy Ahy avokoa, ka ny fanahy izay manota dia izy no ho faty.
Mpiandry iray ihany ny hatsangako ho azy; - ary izy ny hamahana azy ireo, - izy no hamahana azy ireo, dia i Davida mpanompoko; ary izy no ho tena mpiandry ho azy ireo.
I Davida mpanompoko no ho mpanjakany; ary izy rehetra hiray mpiandry, hanaraka ny fitsipiko, hitandrina ny didiko, ary hanaraka izany.
Ary niankohoka tamin’ny tany izy ireo ka nanao hoe: «Andriamanitra ô, ry Andriamanitry ny fanahin’ny nofo rehetra, olona iray no nanota, ka no dia tezitra amin’ny fiangonana rehetra Ianao?»
Izaho no mpiandry ondry tsara. Ny mpiandry ondry tsara dia mahafoy ny ainy ho an’ny ondriny;
Tandremo ny tenanareo sy ny ondry rehetra, nanendren’ny Fanahy Masina anareo ho mpitandrina mba hifehezanareo ny Eglizin’ny Tompo izay novidiny tamin’ny Rany.
Dia hoy i Iaveh tamin’i Môizy: «Indro, antomotra ny fotoana hahafatesanao; koa antsoy i Jôsoe, ary tongava ao an-trano lay fihaonana ianareo, mba hanomezako azy ny didiko.» Dia nandeha nankao an-trano lay fihaonana i Môizy sy i Jôsoe,
Ary na ny raintsika ara-batana aza nohajaintsika na dia nikapoka antsika aza; vao mainka ny Raintsika ara-panahy no tsy maintsy ekentsika mba ho velona isika.
Koa indro àry ny mpanjaka nofidinareo sy nangatahinareo: indro fa misy mpanjaka natsangan’i Iaveh aminareo.