Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Nomery 27:16 - DIEM PROTESTANTA

16 –TOMPO Andriamanitra ô, aoka Ianao mpanome aina ny voaary rehetra no hanendry lehilahy anankiray izay afaka hitondra ny fiangonana

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

16 Aoka NY TOMPO, Andriamanitry ny fanahin’ny nofo rehetra, hanendry lehilahy izay hitandrina ny fiangonana

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

16 –TOMPO Andriamanitra ô, aoka Ianao mpanome aina ny voaary rehetra no hanendry lehilahy anankiray izay afaka hitondra ny fiangonana

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

16 «Aoka i Iaveh, ilay Andriamanitry ny fanahin’ny nofo rehetra, hanendry lehilahy anankiray hitondra ny fiangonana.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

16 Aoka Jehovah, Andriamanitry ny fanahin’ny nofo rehetra, hanendry lehilahy izay hitandrina ny fiangonana

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

16 Aoka Jehovah, Andriamanitry ny fanahin'ny nofo rehetra, hanendry lehilahy izay hitandrina ny fiangonana

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

16 Aoka NY TOMPO, Andriamanitry ny fanahin’ny nofo rehetra, hanendry lehilahy izay hitandrina ny fiangonana

Jereo ny toko dika mitovy




Nomery 27:16
20 Rohy Ifampitohizana  

Ary nandry feizay i Joda sy i Israely tamin’ny andro rehetra niainan’i Salômôna; fa samy niadam-pinaritra teo anivon’ny voalobony sy ny aviaviny ny olona hatreo Dana ka hatrany Beera-Seba.


Ny miaramila rehetra dia hitam-piadiana avokoa ka hanemitra ny mpanjaka ary hanaraka azy na aiza na aiza alehany. Izay mikasa hanatona ny laharanareo dia hatao maty.


Amin’izay no hiverina ho vovoka amin’ny tany nakana azy fahiny ny vatantsika fa ny fofonaina kosa hiverina amin’Andriamanitra Izay nanome antsika izany.


Ka any no hanomezako anareo mpitondra araka izay sitrako sy afaka hitondra anareo amim-pahalalana sy amim-pahendrena.


–Izaho no TOMPO Andriamanitry ny miaina rehetra, ka moa misy zavatra tsy vitako va?


Fa nianiana mangingina tamin’i Jeremià ny mpanjaka, ka nanao hoe: –Velona ny TOMPO Izay nanome aina antsika, ka mianiana aminao aho fa tsy hamono anao ho faty, ary tsy hanolotra anao amin’ireo olona mifofo ny ainao.


Fa samy Ahy avokoa ny ain’ny tsirairay avy, na ny an’ny ray aman-dreny na ny an’ny zanany; koa izay olona manota ihany no ho faty.


Mpiandry tokana no hatsangako hitarika azy, ka izy no hiandry azy, dia i Davida mpanompoko izany. Izy no hikarakara azy ary ho mpiandry azy tokoa.


I Davida mpanompoko no ho mpanjakanareo ka izy irery ihany no ho mpiandry anareo rehetra. Dia hanaraka ny fitsipiko ianareo sady hitandrina ny lalànako sy hanatanteraka ireny.


Dia niankohoka tamin’ny tany i Mosesy sy i Aharôna sady nanao hoe: –Ry Andriamanitra ô, Andriamanitra loharanom-piainan’ny voaary rehetra Ianao, ka hotezeranao ve ny fiangonana manontolo noho ny olona iray nanota?


Dia niteny tamin’ny TOMPO i Mosesy hoe:


Koa angataho ny Tompom-bokatra mba haniraka mpiasa hamory ny vokany.


Izaho no Mpiandry tsara. Ny Mpiandry tsara no manolotra ny ainy hamonjena ny ondry.


Tandremo ny tenanareo sy ny ondry rehetra nankinin’ny Fanahy Masina aminareo mba handrasanareo. Karakarao ny Fiangonana izay novidin’Andriamanitra tamin’ny alalan’ny ra nafoin-Janany.


Dia hoy ny TOMPO tamin’i Mosesy: –Indro antomotra ny andro hahafatesanao; koa antsoy i Josoa, ary tongava eo anoloan’ny Tranolay fihaonana ianareo mba hameperako azy. Dia nandeha nankeo anoloan’ny Tranolay fihaonana ry i Mosesy sy i Josoa


Nanana ny raintsika eto an-tany isika, ary nampihatra famaizana tamintsika izy ka izany no anajantsika azy; fa vao mainka tokony hanaiky ilay Raintsika any an-danitra isika mba ho velona.


Koa indro ny mpanjaka izay nirinareo sy nangatahinareo hanjaka aminareo fa nomen’ny TOMPO anareo.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra