Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Nomery 26:56 - Baiboly Katolika

Loka no hizarana ny lova, na ny ho an’ny maromaro kokoa, na ny ho an’ny vitsivitsy kokoa.»

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Dia antsapaka no hizaràna ny tany ho lovany, na ny ho an’ny maro na ny ho an’ny vitsy.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Antsapaka izany no hanapahana izay faritra homena ny foko maro an’isa sy ny foko vitsy an’isa.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Antsapaka izany no hanapahana izay faritra homena ny foko maro an’isa sy ny foko vitsy an’isa.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Dia filokana no hizarana ny tany ho lovany, na ny ho an’ny maro, na ny ho an’ny vitsy.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Dia filokana no hizarana ny tany ho lovany, na ny ho an'ny maro, na ny ho an'ny vitsy.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Dia antsapaka no hizaràna ny tany ho lovany, na ny ho an’ny maro na ny ho an’ny vitsy.

Jereo ny toko



Nomery 26:56
5 Rohy Ifampitohizana  

Amin’ny filokàna no tsy maintsy hizaranareo ny tany hanananareo azy, izay ho anareo sy izay ho an’ny vahiny mitoetra eo aminareo, sy efa loa-jaza teo aminareo. Hataonareo toy ny tera-tany amin’ny zanak’i Israely, izy ireo, ka filokàna no hahazoany ny anjarany miaraka aminareo, eo amin’ny fokon’i Israely.


Kanefa hanaovana loka no hizarana ny tany. Araka ny anaran’ny fokom-pianakaviany avy no hahazoany ny zarataniny.


Izao kosa no voaisa tamin’ny Levita araka ny fokony avy: ny fokon’ny Gersônita avy tamin’i Gersôna, ny fokon’ny Kaatita avy tamin’i Kaata, ny fokon’ny Merarita avy tamin’i Merarỳ.


Ahoana àry izany? I Israely tsy nahazo izay notadiaviny, fa izay nofidin’Andriamanitra no nahazo; ny sisan’izay nohajambaina,


Maro samihafa ny fanomezana, nefa iray ihany ny Fanahy;