Zanak’i Jodà: i Hera, i Onàna, i Selà, i Faresa ary i Zarà; fa i Hera sy i Onàna maty teny Kanaana. Ny zanak’i Faresa dia i Hesrôna sy i Hamola.
Nomery 26:21 - Baiboly Katolika Ny zanak’i Farezy dia izao: ny fokon’ny Hesrônita avy tamin’i Hesrôna, ny fokon’ny Hamolita avy tamin’i Hamola. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary ny taranak’i Fareza dia izao: Avy tamin’i Hezrona, ny fokon’ny Hezronita; avy tamin’i Hamola, ny fianakavian’ny Hamolita. Baiboly Protestanta Malagasy Ary ny taranak’i Fareza dia izao: avy tamin’i Hezrona ny fokon’ny Hezronita; avy tamin’i Hamola ny fokon’ny Hamolita. Malagasy Bible Ary ny taranak'i Fareza dia izao: avy tamin'i Hezrona ny fokon'ny Hezronita; avy tamin'i Hamola ny fokon'ny Hamolita. La Bible en Malgache Ary ny taranak’i Fareza dia izao: Avy tamin’i Hezrona, ny fokon’ny Hezronita; avy tamin’i Hamola, ny fianakavian’ny Hamolita. |
Zanak’i Jodà: i Hera, i Onàna, i Selà, i Faresa ary i Zarà; fa i Hera sy i Onàna maty teny Kanaana. Ny zanak’i Faresa dia i Hesrôna sy i Hamola.
Izao no zanak’i Jodà, araka ny fokony avy: ny fokon’ny Selaita avy tamin’i Selà, ny fokon’ny Farezita avy tamin’i Farezy, ny fokon’ny Zareita avy tamin’i Zare.
i Jodà niteraka an’i Faresa sy i Zarà tamin’i Tamara; i Faresa niteraka an’i Esrôna; i Esrôna niteraka an’i Arama;