Dia nanopy ny masony i Lôta ka nahita ny tany lemak’i Jordany rehetra, izay azon-drano hatrany hatrany; io tany io, talohan’ny nandravan’i Iaveh an’i Sôdôma sy i Gômôra, dia tahaka ny sahan’i Iaveh, tahaka ny tany Ejipta akaikin’i Tsôara.
Nomery 24:6 - Baiboly Katolika Midadasika toa lohasaha, Tahaka ny zaridaina amoron’ny ony, Tahaka ny aloesy nambolen’i Iaveh, Tahaka ny sedera amoron-drano! Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Tahaka ny lohasaha misandrahaka, tahaka ny saha ao amoron’ny ony, tahaka ny hazo manitra nambolen’NY TOMPO, tahaka ny hazo sedera ao amoron-drano. DIEM PROTESTANTA Fa toa ranon-driaka mihanaka izy ireny, mandrobona tahaka ny zaridaina amoron’ny ony, velombelona tahaka ny sahondra na ny sedera nambolen’ny TOMPO teo amoron’ny sakeli-drano, Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Fa toa ranon-driaka mihanaka izy ireny, mandrobona tahaka ny zaridaina amoron’ny ony, velombelona tahaka ny sahondra na ny sedera nambolen’ny TOMPO teo amoron’ny sakeli-drano, Baiboly Protestanta Malagasy Tahaka ny lohasaha malalaka, Tahaka ny saha ao amoron’ony, Tahaka ny hazo manitra nambolen’i Jehovah, Tahaka ny hazo sedera ao amoron-drano. Malagasy Bible Tahaka ny lohasaha malalaka, tahaka ny saha ao amoron'ony, tahaka ny hazo manitra nambolen'i Jehovah, tahaka ny hazo sedera ao amoron-drano. La Bible en Malgache Tahaka ny lohasaha misandrahaka, tahaka ny saha ao amoron’ny ony, tahaka ny hazo manitra nambolen’NY TOMPO, tahaka ny hazo sedera ao amoron-drano. |
Dia nanopy ny masony i Lôta ka nahita ny tany lemak’i Jordany rehetra, izay azon-drano hatrany hatrany; io tany io, talohan’ny nandravan’i Iaveh an’i Sôdôma sy i Gômôra, dia tahaka ny sahan’i Iaveh, tahaka ny tany Ejipta akaikin’i Tsôara.
Tahaka ny hazo nambolena eo amoron’ny ranovelona izy, ka ny voany tonga amin’ny fotoany; ny raviny tsy mba malazo; ny ataony rehetra vanona avokoa.
Tia ny rariny Ianao, fa mankahala ny heloka; ka noho izany, Andriamanitra, Andriamanitrao nanosotra anao tamin’ny diloilom-piravoravoana, mihoatra noho ny namanao.
Nidina tany an-tsahan’ny noaie aho hizaha ny ahitra eny an-dohasaha, hizaha raha mitsimoka ny voaloboka, raha mamòny ny ampongabendanitra.
Ny efitra hampaniriako sedera akasià, mirta sy ôliva; hataoko indray maniry eo amin’ny tany lava volo ny sipresa, platàna, ary boisy.
ary i Iaveh hitari-dalana anao mandrakizay; sy hamoky ny fanahinao eny amin’ny tany karankaina; ary hanome hery ny taolanao. Ho tahaka ny zaridaina tsara tondraka ianao, sy ho tahaka ny loharano velona, tsy manam-paharitana.
Ny mpanenjika ahy no aoka ho menatra; fa izaho aoka tsy ho menatra. Izy ireo no aoka hangovitra; fa izaho aoka tsy hangovitra. Ataovy tonga aminy ny andro fahoriana, ary torotoroy amin’ny fanimbana roa sosona izy.
Ho avy izy, omban-kobim-pifaliana ho eo amin’ny havoan’i Siôna. Hitanjozotra ho eo amin’ny zava-tsoan’i Iaveh izy ireo, ho amin’ny vary, ny divay vaovao, ny diloilo, ho amin’ny ondry aman’omby; ho toy ny saha vonton-drano ny fanahiny, ka hitsahatra tsy halazo intsony.
Eo akaikin’ny ony, amin’ny morony an-daniny avy, hisy hazo mamoa isan-karazany haniry, ka ny raviny tsy mba halazo, ary ny voany tsy mba hitsahatra. Hamoa voa vaovao isam-bolana izy, satria hivoaka avy ao amin’ny fitoerana masina ny ranony; ny voany ho fihinana tsara, ary ny raviny ho fanasitranana tsara.»