satria tsy mba nitsena ny zanak’i Israely, nitondra mofo sy rano ireo, ary satria nanamby an’i Balaama hanosona azy, saingy nampodin’Andriamanitra ho tso-drano ny ozona.
Nomery 24:5 - Baiboly Katolika Endrey ity hatsaran’ny lainao, ry Jakôba! Ary izato fonenanao, ry Israely! Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Endre ny hatsaran’ny tranolainao, ry Jakoba ô! Sy ny lasinao, ry Israely ô! DIEM PROTESTANTA «Akory ny hatsàran’ny lainareo, ry taranak’i Jakôba; endrey ny hasoan’ny fonenanareo, ry vahoaka Israelita! Dikateny Iombonana Eto Madagasikara «Akory ny hatsàran’ny lainareo, ry taranak’i Jakôba; endrey ny hasoan’ny fonenanareo, ry vahoaka Israelita! Baiboly Protestanta Malagasy Endrey ny hatsaran’ny lainao, ry Jakoba ô! Sy ny lasinao, ry Isiraely ô! Malagasy Bible Endrey ny hatsaran'ny lainao, ry Jakoba ô! sy ny lasinao, ry Isiraely ô! La Bible en Malgache Endre ny hatsaran’ny tranolainao, ry Jakoba ô! Sy ny lasinao, ry Israely ô! |
satria tsy mba nitsena ny zanak’i Israely, nitondra mofo sy rano ireo, ary satria nanamby an’i Balaama hanosona azy, saingy nampodin’Andriamanitra ho tso-drano ny ozona.
Ary izao no isan’ny zavatra nanaovana ny Fonenana, dia ny Fonenan’ny vavolombelona; ny Levita, notarihin’i Itamara, zanak’i Aarôna, mpisorona no nanao ny fanisana, araka ny teny azony tamin’i Môizy.
Ry malala, tsara tarehy tahaka an’i Tirsà ianao; ary mahafinaritra tahaka an’i Jerosalema, fa mahatahotra tahaka ny antoko-miaramila.
Trano rantsan-kazo no hitoeranareo hafitoana, trano rantsan-kazo avokoa no hitoeran’ny tompon-tany rehetra amin’i Israely,
Ny lehilahy manao izany, dia aoka hamongoran’i Iaveh eo amin’ny lain’i Jakôba, na izay miambina, na izay mamaly, mbamin’izay manatitra fanatitra ho an’i Iavehn’ny tafika.
Notanterahin’ny zanak’i Israely avokoa izay rehetra nandidian’i Iaveh an’i Môizy. Toy izany no nitobiany samy araka ny fanevany avy. Toy izany no nilaharany teo am-pandehanana araka ny fianakaviany avy sy ny tokom-pianakaviany avy.
Ary nony natopiny ny masony, dia nahita an’i Israely nitoby isam-pokony izy, ary notsindrian’ny Fanahin’Andriamanitra izy,
Faminanian’ilay mandre ny tenin’Andriamanitra, Izay mibanjina ny fahitana avy amin’ny Tsitoha, Izay lavo ka misokatra ny masony:
Midadasika toa lohasaha, Tahaka ny zaridaina amoron’ny ony, Tahaka ny aloesy nambolen’i Iaveh, Tahaka ny sedera amoron-drano!
Sambatra ianao, ry Israely! Zovy moa no toa anao! Fa ianao dia vahoaka voavonjin’i Iaveh, izay ampingan’ny famonjena anao, sabatry ny voninahitrao. Hihatsaravelatsihy eo anoloanao ny fahavalonao, fa ianao kosa handia ny havoany».
Fa tsy nety nihaino an’i Balaama aho, ka nitso-drano anareo izy, dia voavonjiko tamin’ny tanan’i Balàka ianareo.