Koa ankehitriny mandosira any aminao. Efa nilaza hanome voninahitra anao be dia be aho, fa indro kosa ampanalavirin’i Iaveh anao ny voninahitra.»
Nomery 24:25 - Baiboly Katolika Dia niainga i Balaama ary nandeha ka niverina ho any aminy. Ary i Balàka koa dia mba lasa nandeha. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Dia niainga i Balama ka lasa nody tany amin’ny fonenany; i Balaka koa dia mba nandeha tany amin’izay nalehany. DIEM PROTESTANTA Taorian’izany i Balahama dia niainga ka niverina nody tany aminy; fa i Balàka kosa nizotra lalan-kafa. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Taorian’izany i Balahama dia niainga ka niverina nody tany aminy; fa i Balàka kosa nizotra lalan-kafa. Baiboly Protestanta Malagasy Dia niainga Balama ka lasa nody tany amin’ny fonenany; fa Balaka kosa nandeha tany amin’izay nalehany. Malagasy Bible Dia niainga Balama ka lasa nody tany amin'ny fonenany; fa Balaka kosa nandeha tany amin'izay nalehany. La Bible en Malgache Dia niainga i Balama ka lasa nody tany amin’ny fonenany; i Balaka koa dia mba nandeha tany amin’izay nalehany. |
Koa ankehitriny mandosira any aminao. Efa nilaza hanome voninahitra anao be dia be aho, fa indro kosa ampanalavirin’i Iaveh anao ny voninahitra.»
Ary indro handeha ho any amin’ny fireneko aho izao; koa etsy ianao, hilazako rahateo izay hataon’ity vahoaka ity amin’ny vahoakanao, any aoriana any.»
Nandritra ny fipetrahan’i Israely tao Setima, dia rafitra nijangajanga tamin’ny zanaka vavin’i Moaba ny vahoaka,
Afa-tsy izay maty an’ady dia novonoiny koa ny mpanjakan’i Madiàna: i Evỳ, i Rekema, i Sora, i Hora, ary i Reba, mpanjakan’i Madiàna dimy lahy. Novonoiny tamin’ny sabatra koa i Balaama zanak’i Beôra.
Anisan’ireo novonoin’ny zanak’i Israely tamin’ny sabatra koa i Balaama, mpanao hitsakandro, zanak’i Beôra.