Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Nomery 24:20 - Baiboly Katolika

Dia nahita an’i Amaleka i Balaama ka nilaza ny lahateniny nanao hoe: «I Amaleka no voalohany amin’ny firenena, Fa ho lany ringana no hiafarany.»

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Nahita ny Amalekita koa izy dia nilaza ny oha-teniny hoe: Voalohany tamin’ny Jentilisa i Amaleka, kanefa ho lany ringana ny hiafarany!

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Nahita ny Hamalekita i Balahama ka nanonona izao teny izao: «Ny Hamalekita no lohalaharana amin’ny hafa firenena rehetra; fa ho lany ringana no hiafaràny.»

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Nahita ny Hamalekita i Balahama ka nanonona izao teny izao: «Ny Hamalekita no lohalaharana amin’ny hafa firenena rehetra; fa ho lany ringana no hiafaràny.»

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary nahita ny Amalekita izy, dia nanao oha-teny hoe: Voalohany tamin’ny jentilisa Amaleka, Fa ho lany ringana no hiafarany.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary nahita ny Amalekita izy, dia nanao oha-teny hoe: Voalohany tamin'ny jentilisa Amaleka, fa ho lany ringana no hiafarany.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Nahita ny Amalekita koa izy dia nilaza ny oha-teniny hoe: Voalohany tamin’ny Jentilisa* i Amaleka, kanefa ho lany ringana ny hiafarany!

Jereo ny toko



Nomery 24:20
18 Rohy Ifampitohizana  

I Tamnà, vaditsindranon’i Elifaza zanak’i Esao, niteraka an’i Amaleka tamin’i Elifaza. Ireo no zanaka lahin’i Adà, vadin’i Esao.


Nandresy ny Amalesita sisa afa-nandositra izy ireo dia niorim-ponenana teo mandrak’androany.


Ka hoy i Iaveh tamin’i Môizy: «Soraty izany ho fahatsiarovana amin’ny boky; ary ambarao amin’i Jôsoe fa hofoanako eo ambanin’ny lanitra ny fahatsiarovana an’i Amaleka».


Ka hoy izy: «Efa nanangan-tanan-kamely ny seza fiandrianan’i Iaveh izy ireo, koa i Iaveh kosa hiady amin’i Amaleka amin’ny taona mifandimby hatrany».


I Amaleka nandroso hanafika an’i Israely tao Rafidima, ka hoy i Môizy tamin’i Jôsoe:


Misy mpifehy avy amin’i Jakôba, Ka haringany eny an-tanàna ny sisa tavela.»


Mampahory an’i Asora, mampahory an’i Hebera, Fa efa raikitra fa ho ringana koa izy.»


Mitobaka ny rano amin’ny sisiny roa, Ny taranany mitombo eo amoron’ny rano be dia be; Ny mpanjakany misandratra ambonin’i Agaga, Ary ny fanjakany mandroso voninahitra.


Rehefa namafy voa i Israely, dia niakatra i Madiàna mbamin’i Amaleka ary ny zanaky ny Atsinanana, ka nanafika azy.


Nampiseho herim-po tany an’ady izy, dia namely an’i Amaleka, ka nanafaka an’i Israely teo an-tanan’izay namabo azy.


Izao no lazain’i Iaveh amin’ny tafika: Nodinihiko ny nataon’i Amaleka tamin’i Israely dia ny nitsanganany nisakana azy teny an-dalana fony izy niakatra avy tany Ejipta.


Nony tonga tao Sikelega i Davida mbamin’ny olony, tamin’ny andro fahatelo, dia efa notafihin’ny Amalesita i Negeba sy i Sikelega: nasiany i Sikelega ka nodorany;


Nasian’i Davida izy ireo, hatramin’ny takarivan’izay ka hatramin’ny ampitso hariva, tsy nisy hafa-nandositra afa-tsy zatovo efajato lahy izay nitaingin-drameva, dia nitsoaka.