Niraikitra tamin’i Beelfegôra izy ireo, ka nihinana ny sorona natolotra ho an’ny maty.
Nomery 23:28 - Baiboly Katolika Dia nentin’i Balàka i Balaama ho any an-tampon’i Fogôra izay manerinerina amin’ny efitra. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary noentin’i Balaka ho ao an-tampon’i Peora, izay manatrika ny tany efitra, i Balama. DIEM PROTESTANTA Dia nentin’i Balàka i Balahama ho eo an-tampon’i Pehôra izay manoloana ny taniefitra. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Dia nentin’i Balàka i Balahama ho eo an-tampon’i Pehôra izay manoloana ny taniefitra. Baiboly Protestanta Malagasy Ary Balama dia nentin’i Balaka ho ao an-tampon’i Peora, izay manatrika ny efitra. Malagasy Bible Ary Balama dia nentin'i Balaka ho ao an-tampon'i Peora, izay manatrika ny efitra. La Bible en Malgache Ary noentin’i Balaka ho ao an-tampon’i Peora, izay manatrika ny tany efitra, i Balama. |
Niraikitra tamin’i Beelfegôra izy ireo, ka nihinana ny sorona natolotra ho an’ny maty.
avy any Bamôta, dia nankany amin’ny lohasaha izay ao amin’ny sahan’i Moaba, eo an-tampon’i Fasgà, izay manerinerina amin’ny efitra.
Hoy i Balàka tamin’i Balaama: «Andeha àry ianao hoentiko any amin’ny toeran-kafa, fa angamba ho sitrak’Andriamanitra ny hanozonanao azy any.»
Ary hoy i Balaama tamin’i Balàka: «Anangano ôtely fito eto aho, ary manomàna eto ombalahy fito sy ondralahy fito koa.»
Hitan’i Balaama fa ny hitso-drano an’i Israely no sitrak’i Iaveh ka tsy nandeha hizaha famantarana avy amin’ny fanandroana toy ny teo intsony izy, fa natodiny ny tavany hanatrika ny efitra.